Velona miaraka amin’i Kristy isika
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 27 Aprily 2020
EFESIANA 2.1-10
EFESIANA 2.1-10
1 Ary ianareo dia efa novelominy, fony mbola matin'ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo, 2 izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban'izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin'ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin'ny zanaky ny tsi-fanarahana; 3 teo amin'ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin'ny filan'ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin'ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika. 4 Fa Andriamanitra, Izay manan-karena amin'ny famindram-po, noho ny halehiben'ny fitiavany izay nitiavany antsika, 5 na dia fony mbola matin'ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin'i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo); 6 ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin'i Kristy Jesosy, 7 mba hasehony amin'ny andro ho avy ny haben'ny haren'ny fahasoavany amin'ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin'i Kristy Jesosy. 8 Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra; 9 tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha. 10 Fa asany isika, voaforona tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin'Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.Velona miaraka amin’i Kristy isika
1-Matin’ny fahadisoana sy ny fahotana isika fahiny
« Ary ianareo dia efa novelomina , fony mbola matin’ny fahadisoana sy ny fahotana izay nataonareo fahiny » (and1) . Ny fiainantsika rehetra talohan’ny nanolorantsika tena ho an’i Kristy dia fiainana nandeha an-jambany . Maro ireo nandeha araka ny filan’ny nofony sy ny sainy fotsiny . Nanaraka ny fomban’izao tontolo izao , nandray volon-tany toy ny trandraka an-tanimena.Mazava ny voasoratra : »Fahafatesana no tambin’ny ota » (Rom 6.23).
2-Niara-natsangany isika
« Ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin’i Kristy Jesoa » (and6).Mandray andraikitra ho antsika ny Tompo . Mamonjy amin’ny tànam-pahasoavany Izy. Mora fo sady manakarem-pahasoavana Izy. Natolony ny tenany ho avotra noho ny fahotantsika .Dieny ankehitriny dia efa manangana antsika Izy araka ny fahasoavany .Tsy ny herintsika na avy amin’ny ezaka nataontsika no namonjeny antsika fa fanomezana maimaimpoana avy Aminy (and8).
3-Voaforona ao amin’i Kristy hanao asa tsara isika
Afaka madiodio àry isika izao . Tsy hoe: marina fa nohamarinina . Sanatria amintsika ny hiverina amin’ny fanao mahazatra fahiny fa: « Ny amboa no miverina indray amin’ny loany » (Oha 26.11), ary ny kisoavavy efa nisasa dia mihosim-potaka » (2 Pet 2.22) .Ampy izay ny andro lasa fa andeha hidera ny Tompontsika amin’ny fanaovana asa tsara isika .
Fanontaniana:
Inona avy ireo karazana asa tsara azontsika hatao ho fanomezam-boninahitra ny Tompontsika ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM