Jesoa Kristy Mpamonjy

Mofonaina anio: Alahady, faha 26 Aprily 2020
1 Tesaloniana 4,1 - 16
1 [Fananarana ny Tesaloniana hitondra tena miendrika ny filazantsara] Ary farany, ry rahalahy, mangataka aminareo sy mananatra anareo ao amin'i Jesosy Tompo izahay, mba ho araka ny nandraisanareo taminay izay mety handehananareo sy hanaovanareo ny sitrapon'Andriamanitra - dia araka ny andehananareo ihany - no hitomboanareo bebe kokoa. 2 Fa fantatrareo ny didy nomenay anareo avy tamin'i Jesosy Tompo. 3 Fa izao no sitrapon'Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny fijangajangana, 4 mba samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin'ny fahamasinana sy ny voninahitra, 5 tsy amin'ny filàna fotsiny, tahaka ny jentilisa izay tsy mahalala an'Andriamanitra, 6 mba tsy hisy hanao saina hifetsy ny rahalahiny amin'izany*; fa ny Tompo no mpamaly ny amin'izany zavatra rehetra izany, toy ny nolazainay sy nambaranay taminareo rahateo. [* Na: amin'ny raharaha] 7 Fa Andriamanitra tsy niantso antsika ho amin'ny fahalotoana, fa amin'ny fahamasinana. 8 Koa izay mandà, dia tsy olona no laviny, fa Andriamanitra, Izay manome anareo ny Fanahiny Masina. 9 Fa ny amin'ny fifankatiavan'ny mpirahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, satria ny tenanareo dia ampianarin'Andriamanitra hifankatia. 10 Fa manao izany ihany ianareo amin'ny rahalahy rehetra eran'i Makedonia; nefa mananatra anareo ihany izahay, ry rahalahy, mba hitombo bebe kokoa, 11 ary mba hokendrenareo ny ho tafatoetra tsara sy hitandrina ny raharahanareo ary hiasa amin'ny tananareo araka ny nandidianay anareo, 12 mba handehananareo amin'izay fitondran-tena mahamendrika amin'ny eo ivelany, ary mba tsy hanan-java-mahory ianareo. 13 [Ny hihavian'i Kristy sy ny toetry ny Kristiana izay modi-mandry] Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin'izay modi-mandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana. 14 Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran'Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin'i Jesosy* hiaraka aminy. [* Na: tamin'ny alalan'i Jesosy] 15 Fa izao no lazainay aminareo amin'ny tenin'ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin'ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory. 16 Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha;

Jesoa Kristy Mpamonjy

1-Mahay mamelona ny efa maty

« Ho velona indray ny olona izay efa maty » (and19a). Maneho faminaniana momba ny fitsanganana amin’ny maty i Isaia mpaminany eto. Nisantatra izany i Jesoa Kristy ary Izy no làlana mitondra antsika amin’ny fitsanganana amin’ny maty .Resiny ny fasana ary afaka mandresy tahaka Azy koa isika . Misy fepetra anefa ambara eto : »ny olonao » ,izany hoe : olon’i Kristy , ireo manaiky Azy ho Tompo sy Mpamonjy, nampandroso Azy raha nandondona Izy, mandeha amin’ny fahamarinana, tsy manaraka ny fanaon’izao tontolo izao , mandeha amin’ny mazava , niova fo tonga olom-baovao.

2-Manam-pahefana hibaiko ny velona sy ny maty

« Koa mifohaza sy mihoba , ianareo izay mandry eo amin’ny vovoka «  . Fananganana , famelomana, fibaikona .Manana fahefana handidy ny velona sy ny maty ny Tompontsika. Manam-pahefana hitsara , manam-pahefana hibaiko .Voalaza ao amin’ny 1Tes 4.16 fa « Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra avy any an-danitra … ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana aloha »..ny fiavian’i Kristy eny amin’ny rahon’ny lanitra no mibaiko izay fitsanganana izay , ho fihobiana sy fifaliana amin’ny olom-boavonjy izany fa ho tahotra sy horohoro ho an’izay very kosa. »Dia hilaza amin’ny tendrombohitra hoe izy : Mianjerà aminay , ary amin’ny havoana hoe : sarony izahay » .Tsy ny rehetra no hifaly sy hihoby araka izany.

Fanontaniana:

Mba mampahatsiaro momba izany fanantenan’ny mpino kristiana izany matetika ve ireo mpitoriteny ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM