Ny Hazo fijaliana

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 25 Aprily 2020

GALATIANA 2.19-21

GALATIANA 2.19-21
19 Fa raha izaho, dia tamin'ny lalàna no nahafatesako ny amin'ny lalàna, mba ho velona ho an'Andriamanitra aho. 20 Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. 21 Tsy mahafoana ny fahasoavan'Andriamanitra aho; fa raha avy amin'ny lalàna ny fahamarinana, dia maty foana Kristy.

Ny Hazo fijaliana

1-Handresena ny asan’ny nofo

« Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazo fijaliana aho » (and20).Maro ireo hetaheta sy fanirian’i Paoly mba hanao ny tsara ary hiala amin’ny ratsy . Kanefa dia niaiky izy hoe: « Tsy ny tsara izay sitrako no ataoko« . Ny hany heriny dia nanombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazo fijaliana ny asan’ny nofo izay mitondra fanirian-dratsy , fitsiriritana, fialonana, fahalotoana. »Fa izy tsy maintsy mihena fa Kristy tsy maintsy mitombo » (Jao 3.30).

2-Ivelomana araka ny finoana sy ny fahasoavana

« Fa Kristy no velona ato anatiko, fa izay ivelomako ankehitriny dia ivelomako amin’ny finoana ny zanak’ Andriamanitra » (and20b).Velona mba hanao ny sitrapon’ Andriamanitra isika.Tonga fifaliana ho antsika ny manaraka ny didin’i Kristy satria olona afaka isika .

3-Ahatsapa ny fitiavan’i Kristy

« Amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy » (and20), sady miteny i Jesoa no iainany ara-bakiteny ny teniny hoe: « Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany « (Jao 15.13) . Aza atao mahakivy ny fitondrana ny hazo fijaliana fa tsy ianao ihany no hioty ny vokatry ny fikelezanao aina fa ny hafa ihany koa. Izany dia manomboka eo amin’ny ankohonanao sy ireo manodidina anao.Misy akony amin’ny hafa izany . Hitondra fiovana sy fanapahankevitra ao amin’izy ireo ny faharetanao na ho ela na ho haingana .

Fanontaniana:

Midika inona aminao ny nanoloran’i Kristy ny ainy teo amin’ny hazo fijaliana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM