Ny fahombiazan’ny Apostoly

Mofonaina anio: Alahady, faha 19 Aprily 2020

ASAN'NY APOSTOLY 2.29-36

ASAN'NY APOSTOLY 2.29-36
29 Ry rahalahy, aoka aho mba hilaza aminareo marimarina ny amin'i Davida patriarka, fa efa maty izy ka nalevina koa, ary ny fasany eto amintsika mandraka androany. 30 Ary satria mpaminany izy ka nahalala fa Andriamanitra efa nanao fianianana taminy fa izay hateraky ny kibony no hipetraka* eo ambonin'ny seza fiandrianany, [*Na: hapetrany] 31 koa raha nahita rahateo izy, dia nilaza ny fitsanganan'i Kristy, fa tsy nafoy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* Izy, ary ny nofony tsy tratry ny lò. [*Gr. Hadesy] 32 Izany Jesosy izany dia efa natsangan'Andriamanitra, ary vavolombelon'izany izahay rehetra. 33 Ary rehefa nasandratry ny tanana ankavanan'Andriamanitra* Izy, ary nandray tamin'ny Ray ny Fanahy Masina Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy. [* Na: ho eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra] 34 Fa tsy Davida no niakatra tany an-danitra; fa hoy izy: Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana 35 Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao (Sal. 110. 1). 36 Koa aoka ho fantatry ny taranak'isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana iny dia efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.

Ny fahombiazan’ny Apostoly

1-Hita taratra ramin’ny toriteniny

Toriteny maneho an’i Jesoa Kristy Ilay efa natsangan’Andriamanitra no nohamafisin’ny Apostoly , toriteny manome lanja ny Fanahy Masina, maneho ny fahefan’ Andriamanitra Mpahary sy mahefa ny zavatra rehetra , toriteny laroin’ny fijoroana vavolombelona , mitaona ny olona hibebaka ary manome lanja ny Soratra Masina , mahakasika ny fon’ny mpihaino (and37)ka mahatonga ny mpihaino hametraka fanontaniana hoe: »Ry Rahalahy , inona no hataonay? » (and37) .Toriteny misy hafatra mazava tsara .

2-Hita taratra amin’ny fahasahiany

Sahy ny Apostoly ka nanambara madio ny Tenin’Andriamanitra . Novantaniny fa: »iny Jesoa nohomboana tamin’ny hazo fijaliana iny dia efa nataon’ Andriamanitra ny Tompo sy Kristy« . Indrisy , fa misy mpitoriteny sasany ankehitriny tsy sahy mananatra ny tokony hanarina , tsy sahy mananatra ny mpijangajanga . Misy aza manara-drenirano ka mampifangaro ny fanompoan-tsampy sy ny kolotsaina .

3-Hita taratra amin’ny vokatry ny fanompoany

Niasa tamin’izy ireo ny Tompo . Niharihary ny fiasan’ny Fanahy Masina , na tamin’ny mpitory na izay nitoriana vokatra sady betsaka no no azon’ny Tompo tamin’ny alalan’ireo .Tokony ho telo arivo no olona vao nanampy ho isany tamin’izany andro izany (and 41).

Fanontaniana:

Nahomby teo amin’ny andraikitra nametrahan’ny Tompo azy ry Petera sy ny namany avy.Nahoana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Erreur de la base de données WordPress : [Error writing file '/tmp/MYguOnHL' (Errcode: 28 - No space left on device)]
SELECT SQL_CALC_FOUND_ROWS wp_posts.ID FROM wp_posts INNER JOIN wp_postmeta ON ( wp_posts.ID = wp_postmeta.post_id ) INNER JOIN wp_postmeta AS mt1 ON ( wp_posts.ID = mt1.post_id ) WHERE 1=1 AND wp_posts.ID NOT IN (43378) AND ( wp_postmeta.meta_key = 'date_du_lecture_journaliere' AND ( ( mt1.meta_key = 'date_du_lecture_journaliere' AND CAST(mt1.meta_value AS DATE) < '20200419' ) ) ) AND ((wp_posts.post_type = 'mofonaina' AND (wp_posts.post_status = 'publish' OR wp_posts.post_status = 'acf-disabled'))) GROUP BY wp_posts.ID ORDER BY wp_postmeta.meta_value DESC LIMIT 0, 3

Tsy misy mofonaina hafa hita.