Ny Hafatry ny Filazantsara

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 18 Aprily 2020

1 KORINTIANA 15.1-11

1 KORINTIANA 15.1-11
1 [Ny amin'ny fitsanganan'ny maty] Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo, 2 izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay teny notoriko taminareo, raha tsy nino foana ianareo. 3 Fa natolotro anareo ho isan'ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina, 4 dia nalevina, ary natsangana tamin'ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina; 5 ary niseho tamin'i Kefasy Izy, dia vao tamin'ny roa ambin'ny folo lahy koa. 6 Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny rahalahy tsy omby dimam-jato Izy, ny ankamaroan'ireny dia mbola velona mandraka ankehitriny, fa ny sasany efa nodi-mandry. 7 Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'i Jakoba Izy, dia tamin'ny Apostoly rehetra. 8 Ary faran'izy rehetra, izaho, izay toy ny tsy tonga volana aza, dia mba nisehoany koa. 9 Fa izaho dia ambany indrindra amin'ny Apostoly ka tsy miendrika hatao hoe Apostoly, satria efa nanenjika ny fiangonan*'Andriamanitra aho. [* Gr. eklesia] 10 Fa ny fahasoavan'Andriamanitra no nahatoy izao ahy; ary tsy foana ny fahasoavany ato amiko; fa efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho, nefa tsy izaho, fa ny fahasoavan'Andriamanitra no niara-niasa tamiko. 11 Koa na izaho na ry zareo, dia araka izany no fitorinay, ary araka izany koa no ninoanareo.

Ny Hafatry ny Filazantsara

1-Kristy maty noho ny fahotantsika

Fantantsika fa fahafatesana no tambin’ny ota ary tsy misy famonjena raha tsy misy rà latsaka .Kristy no avotra nisolo ny heloky ny mpanota . Nandatsaka ny rany teo amin’ny hazo fijaliana Izy ary nahafoy ny ainy mariky ny fitiavany antsika.

2-Nitsangana tamin’ny andro fahatelo  i Kristy

Efa nilaza i Jesoa fa « ny Zanak’olona efa natolotra ho eo an-tànan’olona ka hovonoiny , nefa amin’ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy » (Mat 17.23). Nampahatsiaro io tenin’i Jesoa io ny anjely rehefa nitsangana Izy. »Tsy ato Izy , fa efa nitsangana » .Tsarovy ny teny izay nataony taminareo , fony Izy mbola tany Galilia (Lio 24.6) . Mahagaga fa mora manadino ny mpianatry ny Tompo . Matetika no tsikaritra io fanadinoana io.

3-Ny mpino dia vavolombelon’Ilay nitsangana

Maro ireo voaraikitry ny tantara fa vavolombelon’Ilay nitsangana .Fahasoavana miavaka ny fiatrehana vanimpotoana tsy manam-paharoa toy izany .Taorian’ny nitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty àry dia ireto no santionan’ireo olona nahita mivantana Azy . Isan’izany i Kefasy , ny roa ambininfolo lahy , ireo rahalahy izay miasa dimanjato mahery , ry Jakoba ary i Paoly Apostoly ihany koa dia isan’ny nisehoany, vavolombelon’ny Tompo isika .

Fanontaniana:

Iza avy ireo vavolombelon’Ilay nitsangana voalaza ao amin’ny 1 Kor 15.5-8 ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Erreur de la base de données WordPress : [Error writing file '/tmp/MYqE7R4M' (Errcode: 28 - No space left on device)]
SELECT SQL_CALC_FOUND_ROWS wp_posts.ID FROM wp_posts INNER JOIN wp_postmeta ON ( wp_posts.ID = wp_postmeta.post_id ) INNER JOIN wp_postmeta AS mt1 ON ( wp_posts.ID = mt1.post_id ) WHERE 1=1 AND wp_posts.ID NOT IN (43377) AND ( wp_postmeta.meta_key = 'date_du_lecture_journaliere' AND ( ( mt1.meta_key = 'date_du_lecture_journaliere' AND CAST(mt1.meta_value AS DATE) < '20200418' ) ) ) AND ((wp_posts.post_type = 'mofonaina' AND (wp_posts.post_status = 'publish' OR wp_posts.post_status = 'acf-disabled'))) GROUP BY wp_posts.ID ORDER BY wp_postmeta.meta_value DESC LIMIT 0, 3

Tsy misy mofonaina hafa hita.