Maneho ny Voninahitr’ Andriamanitra

Mofonaina anio: Zoma, faha 17 Aprily 2020

JOBA 19.25-29

JOBA 19.25-29
25 Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra* ahy, ka hitsangana any am-parany** eo ambonin'ny vovoka Izy.[*Heb. Goela][**Na: ho farany] 26 Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin'ny nofoko aho, dia hahita an'Andriamanitra*;[Na: Dia hahita an'Andriamanitra amin'ny nofoko aho] 27 Eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko* ato anatiko.[Heb. voako] 28 Raha hoy ianareo: Andeha hanenjika azy fatratra isika. Fa hita ao anatiny* ny fototry ny mahameloka azy**.[*Heb. anatiko][**Heb. ahy] 29 Dia matahora ny sabatra ianareo; Fa ny fahatezerana dia heloka mendrika ny hovalian-tsabatra, mba ho fantatrareo fa misy fitsarana.

Maneho ny Voninahitr’ Andriamanitra

1-Ny fandreseny ny fahafatesana

« kanefa raha izaho dia fantatro fa velona ny mpanavotra ahy » (and25) .Raiki-tampisaka amin’ny mpanavotra ny Tompo ny fanantenana hitsangan-ko velona .Tsy misy fisalasalana na kely akory aza i Joba naneho ny maha-izy azy ny Tompony .Tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy ity faminaniana voalaza ato amin’ny bokin’i Joba ity . Ny hoe: « hitsangana any am-parany » dia maneho miharihary ny handresen’ny Tompo ny fahafatesana .

2-Ny fandresen’ny mpanompony ny fahafatesana

« Ary rehefa velona ny hoditra , izao simba izao , sady afaka amin’ny nofoko aho , dia hahita an’ Andriamanitra » . Ny fahafatesana no isan’ny zava-tsarotra izay tena mampatahotra ny maro . Eto anefa dia io tranga tian’ny olona halavirina toa fasam-bao io indray no tsikaritra fa toa tsy mampaninona ny tena mpanompon’ Andriamanitra akory. Amin’izy ireo dia tsy mifarana eto amin’ny fasana velively ny fiainan’ny zanak’olombelona.

3-Ny fihaonana mivantana amin’ny Tompontsika

Ho avy ny andro izay hanehoan’ny Tompo valimbavaka miavaka »eny, izaho no hahita azy , fa tsy olon-kafa « (and27). « Ankehitriny isika mizaha aamin’ny fitaratra ka tsy mahita marina fa rahatrizay dia mifanatrika . Ankehitriny sombitsombiny no fantatro, fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy »(1 Kor 13.12).Izany no fanantenantsika araka ny tenin’ny Tompo . Miomàna hihaona amin’ny Tomponao.

Fanontaniana:

Ahoana no fahafantaranao izany fiainana aorian’ny fahafatesana izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM