Ny fanandratana avo ny Anaran’ny Tompo

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 16 Aprily 2020

SALAMO 118.24-29

SALAMO 118.24-29
24 Ity no andro nataon'i Jehovah; Hifaly sy ho ravoravo amin'izao isika. 25 Mifona aminao aho, Jehovah ô, vonjeo è! Mifona aminao aho, Jehovah ô, ambino è! 26 Hotahina anie izay avy amin'ny anaran'i Jehovah; Avy ao an-tranon'i Jehovah no itsofanay rano anareo. 27 Andriamanitra Jehovah ka nampahazava antsika; Rohizo kofehy ny fanati-piravoravoana na dia hatreo amin'ny tandroky ny alitara aza. 28 Andriamanitro Hianao, ka hidera Anao aho; Eny, Andriamanitro, ka hanandratra Anao aho. 29 Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.

Ny fanandratana avo ny Anaran’ny Tompo

1-Tanterahina amin’ny fifaliana sy firavoravoana

« Ity no andro nataon’i Jehovah hifaly sy ho ravoravo amin’izao isika « (and24) . Na dia teo aza ireo toe-javattra maro izay saika nahalavo ny mpanompon’Andriamanitra voalaza eto dia teo hatrany ny finoany sy ny fanantenany . Maneho izany ny and 17-18 : « Tsy ho faty aho fa ho velona , nofaizin’i Jehovah mafy aho , nefa tsy natolony ho amin’ny fahafatesana » .Rariny raha tsenaina amin’ny fifaliana sy firavoravoana ny fotoana toy izany .

2-Atao amin’ny fanetrentena

Mifona aminao aho Jehovah ô , ambino e! Mariky ny fiaikena ny fahadisoana ny fifonana.Fehezanteny tokana no angatahana famelana sy fanambinana eto. Ny olona tsy manana fanetrentena dia sady tsy mahalala ny fahadisoany no tsy mba mifona mihitsy na dia efa hita izao aza fa diso. Ny 2 Tant 7.14 dia mampiahatsiaro antsika fa ilaina ny fanetren-tena mialohan’ny valimbavaka avy amin’ny Tompo .

3-Andraisana fitahiana sy fahazavana

« Hotahiana anie izay avy amin’i Jehovah…Andriamanitra Jehovah ka nampahazava antsika  » (and26-27). »Mandrotsaka fitahiana ho antsika hatrany ny Tompo  » .Ireo fikasana nambarany ao amin’ny Deo 28.1-14 dia tanterahiny amintsika isanandro .Tsy vitan’izany fa manoro antsika ny làlan-kombana Izy ary miaro antsika tsy ho solafaka an-dàlana .Tsy manao ampitso lava ny Tompo fa maneho amintsika ny fitiavany isanandro .

Fanontaniana:

Inona avy no azonao hatao ho fanandratana avo ny Anaran’nyTompontsika?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM