Vavolombelon ‘ny  fitsanganan’ny Tompo

Mofonaina anio: Alahady, faha 12 Aprily 2020

MARKA 16.9-20

MARKA 16.9-20
9 [Ary rehefa nitsangana tamin'ny marain'ny andro voalohany amin'ny herinandro Jesosy, dia niseho voalohany tamin'i Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito, Izy] 10 [Ary Maria nandeha ka nilaza tamin'ireo efa nomba an'i Jesosy, izay mbola nisaona sy nitomany] 11 [Ary izy ireo, na dia nandre aza fa velona Izy sady efa hitan-dravehivavy, dia mbola tsy nety nino ihany] 12 [Ary taorian'izany Jesosy dia niseho tamin'ny endrika hafa tamin'ny roa lahy aminy, izay nankany an-tsaha] 13 [Ary izy ireo nandeha ka nilaza tamin'ny namany; fa na dia ireo aza tsy ninoany koa] 14 [Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy Jesosy, raha nipetraka nihinana ireo; ary izy nanome tsiny azy noho ny tsi-finoany sy ny hamafin'ny fony, satria tsy ninoany ireo efa nahita Azy, rehefa nitsangana Izy] 15 [Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra] 16 [Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina] 17 [Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;] 18 [handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny] 19 [Ary Jesosy Tompo, rehefa niteny taminy, dia nampiakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra] 20 [Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitori-teny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin'ny famantarana izay nomba azy. Amena]

PASKA

Vavolombelon ‘ny  fitsanganan’ny Tompo

1-Manambara
na tsisy mihaino  aza(and1 9-13)

Vavolombelona nanatri-maso i Maria Magdalena nilaza ny
fitsanganan’ny Tompo , saingy  tsy  ninoan’ireo
mpianatry  ny Tompo .Vavolombelona
faharoa nanatri-maso  ihany  koa izy roalahy , izay  nisehoan’i Jesoa  , ary
nanambara izany  tamin’ny
mpianatry ny  Tompo fa tsy  mbola nanova ny tsy  finoan’izy
ireo ihany koa. Anjara asan’ny vavolombelona ny manambara sy  milaza ny zava-misy marina na hisy  hihaino
na tsia .Ary  tsy  maintsy
manambara  izany  isika satria adidintsika amin’izao  andro Paska izao  ny
miteny  amin’ireto  taranaka miditra ireto (Mat 17.17).

2-Manambara  mba hananan’ny  olona finoana (and14-18)

Rehefa tsy  nety   nino ireo dia nisehoan’i Jesoa ary nomeny tsiny
noho  ny tsy  finoany , kanefa  rehefa tonga vavolombelon’ny  fitsanganany , dia nirahiny  mba hampitombo  finoana ny hafa . Asa lehibe iray  omen’ny
Tompo  ny olona vavolombelon’ny
fitsanganana ny  hilaza izany amin’ny
hafa .Io  ilay  vaovao
mahafaly ambaran’ny  vavolombelona
.Izany  no  atao
dia ny  hahatonga ny olona rehetra
ho  amin’ny famonjena fa tsy ho  amin’ny
fanamelohana .

Fanontaniana :

Efa nanam-pikasana handeha hanambara ve ianao ?

Sampana Sekoly Alahady
FOIBE FJKM