« …Ry Simona , matory va ianao ? »(Mar 14.37) .
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 09 Aprily 2020
MARKA 14.32-42
MARKA 14.32-42
32 Ary tonga tany amin'ny saha izay atao hoe Getsemane izy; dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Mipetraha eto ianareo mandra-pivavako. 33 Ary nitondra an'i Petera sy Jakoba sy Jaona Izy, dia talanjona sady ory indrindra. 34 Ary hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miareta tory. 35 Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka tamin'ny tany ka nivavaka mba hialan'izany ora izany aminy, raha azo atao. 36 Ary hoy Izy: Aba, Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao; esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao. 37 Ary avy Izy ka nahita azy ireo matory, dia hoy Izy tamin'i Petera: Ry Simona, matory va ianao? Tsy nahazaka niari-tory na dia ora iray ihany aza va ianao? 38 Miareta tory ianareo, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery. 39 Dia lasa indray Izy ka nivavaka nanao ilay teny teo ihany. 40 Ary nony niverina indray Izy, dia nahita azy matory, fa efa nilondolondo ny masony, ka tsy hitany izay havaliny Azy. 41 Ary avy fanintelony Izy, dia nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo. Aoka izay; efa tonga ny ora; indro, ny Zanak'olona hatolotra ao an-tànan'ny mpanota. 42 Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy.« …Ry Simona , matory va ianao ? »(Mar 14.37) .
Olona efatra no
miaraka miari-tory tao anaty alina
mangina tao Getsemane. Mafy ny
adim-panahy nahazo an’i Jesoa
nefa mbola nisy zavatra hafa
nitranga indray .Aoka hanana fahavononana raha hanara-dia ny Tompo.
1-Sao eo anilany nefa matory
Ny afo lavitra tsy azo
hamindroana , hoy ny fitenintsika malagasy .Raha lavitry ny
afo dia tsy hahazo
hafanana.Eto anefa dia mahagaga fa na dia teo akaikin’i
Jesoa aza i Petera dia resin-tory .Iza
ve ilay hoe : maizina
am-pototry ny mazava ? Efa navahan’i
Jesoa tao anatin’ny maro (and33) izy , kanefa renoka ihany .Mila miambina sy mitandrina isika sa variana sy
resin-tory ihany koa (Vakio Mar
13.36) .
2-Sao mamindra
torimaso
Tsy i Petera ihany no
nentin’i Jesoa fa i Jakoba sy Jaona ihany koa. Nivantana
tany amin’i Petera ny resak’i Kesoa satria izy no zokiny .Rehefa
ny heverina ho lehibe no
matory dia renoka ny hafa. Isika
kristiana dia nataon’ny Tompo ho modely
sy vavolombelona ny finoana Azy
.Marobe ny torimaso
manjo antsika eto amin’izao
tontolo izao . Mila miambina
isika fa isika no arahin’ny olona ho
vavolombelon’ny finoana an’i
Kristy . Raha isika no matory dia inona no
hitranga ? (Vakio Mat 5.13).
Fanontaniana :
Mby hatraiza
ny fetra hanarahanao ny Tompo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM