Vavolombelona miavaka
Mofonaina anio: Talata, faha 07 Aprily 2020
LIOKA 22.24-34
LIOKA 22.24-34
24 Ary nisy koa fifandirana tao aminy ny amin'izay anankiray aminy hatao lehibe. 25 Ary hoy Jesosy taminy: Ny mpanjakan'ny jentilisa mampanompo azy ary izay manapaka azy no atao hoe mpanao soa. 26 Fa tsy mba toy izany ianareo; fa izay lehibe aminareo dia aoka ho toy ny zandry; ary izay manapaka dia aoka ho toy ny mpanompo. 27 Fa iza moa no lehibe, izay mipetraka mihinana va, sa izay manompo? Tsy izay mipetraka mihinana va? Fa Izaho dia eo aminareo toy izay manompo. 28 Ary ianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin'ny fakam-panahy nihatra tamiko; 29 koa Izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren'ny Raiko ho Ahy, 30 mba hihinana sy hisotro eo amin'ny latabatro amin'ny fanjakako ianareo sady hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen'isiraely roa ambin'ny folo, 31 Ary hoy ny Tompo: Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary. 32 Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao. 33 Ary hoy izy taminy: Tompoko, vonona hanaraka Anao aho, na ho ao an-tranomaizina, na dia ho amin'ny fahafatesana aza. 34 Fa hoy Jesosy: Lazaiko aminao, ry Petera: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà intelo ho tsy mahalala Ahy ianao.Vavolombelona miavaka
1-Miandany amin’ny malemy
Ambaran’i Jesoa eto ny zavatra hitranga amin’ny mpianany , dia ny fizahantoetra sy ny fakampanahy mety hahazo azy ireo , izay antsoiny eto hoe : « hokororohana ». Ny hevitr’izany dia fanalana ireo zava-maivana sy tsy misy vidiny .Fa satana eto dia handevona ny fanahin’ny olona mihitsy . Ao anatin’izany no hanambaran’i Jesoa fa na dia hisy aza izany dia hivavaka hanampy azy ireo Jesoa . Moa tsy izany va ny vavaka nataon’i Jesoa ao amin’ny Filazantsara araka an’i Jaona 17.15.
2-Manome ohatra mazava (and32)
Izay zavatra nangatahan’iJesoa dia ny tsy hahalevona ny finoan’i Simona (Petera).Nanao ohatra mazava ny amin’ny tenany Izy ka nitarika koa an’i Simona mba hanao araka izay nataony.Nampahereziny i Simona ka notarihany hibebaka sy hampahery ny rahalahiny ihany koa. Fianarana no nomen’i Jesoa. Vvaolombelona mahita ny fiampangana sy ny fikororohana ataon’i satana Jesoa ka mitaona antsika hibebaka sy hifampahery ihany ko. Efa saika adinontsika mantsy ankehitriny ny mifampivavaka fa saiky variana miavo-tena ny maro amintsika .Raha mahay mifampivavaka isika dia vavolombelona fa tena misy ny mpianatry ny Tompo .
Fanontaniana :
Mahatoky Ilay Vavolombelona marina ve ianao ?
Sampana Sekoly Alahady
FOIBE FJKM