Vavolombelona miavaka
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 06 Aprily 2020
APOKALYPSY 15.1-4
APOKALYPSY 15.1-4
1 [Ny amin'ny lovia fito nisy ny loza fito, izay nentin'ny anjely fito ka naidiny tamin'ny tany] Ary hitako fa, indro, nisy famantarana iray koa tany an-danitra, sady lehibe mahagaga, dia anjely fito izay nanana ny Ioza fito farany, Satria ireny no enti-mahatanteraka ny fahatezeran'Andriamanitra. 2 Ary nahita aho fa, indro, toa ranomasina fitaratra miharo afo, ary izay naharesy ka afaka tamin'ny bibi-dia sy ny sariny ary ny isan'ny anarany dia nitsangana teo amoron*'ny ranomasina fitaratra, nitana lokangan'Andriamanitra. [* Na: tao amin] 3 Ary mihira ny fihiran'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, sy ny fihiran'ny Zanak'ondry izy manao hoe: Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo Ô, Andriamanitra Tsitoha; Mahitsy sy marina ny lalanao, Ry Mpanjaka mandrakizay. 4 Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Hianao ihany no masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; Fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao.Vavolombelona miavaka
1-Vavolombelona mpandresy
Manambara izay fotoana
ho avy ity perikopa eto ity , dia ny fotoana hifanatrehan’ny mino an’ Andriamanitra any am-parany .
Misy andian’olona ambara eto , dia ireo naharesy ka afaka
tamin’ny bibidia . Tsy iza
ireo fa ireo izay nandà ny finoana an’i Jesoa Kristy
rehefa nenjehina sy norahonana
ary novonoin’ny antikristy . Nahazo
toerana izy ireo ary notolorana lokanga , izay lokangan’Andriamanitra . Misy valiny
sy vokany izay rehetra fiaretan’ny olona mihazona
finoana (vakio Mar 8.38) .
2-Vavolombelona voavonjy
Voalaza eto fa
ireo olona voavonjy dia nitsangana teo amoron’ny ranomasina fitaratra miharo afo.Zavatra
roa loha no hevitr’izany . Milaza fahamasinana izay hany hahafahana manatona an’ Andriamanitra (1 Mpan
7.23-39) na milaza ihany koa
ny fiampitan’ny olona
ny ranomasina mena , ary
izany dia mitohy
amin’ny fotoam-piravoravoana . Valimpitia ho an’ireo mijoro
amin’ny finoana izany .
Fanontaniana :
Efa mahazo
antoka ny famonjena ve
ianao ? Ary inona no efa nataonao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM