Ny mino vavolombelon’ny fitsanganan’ny Tompo
Mofonaina anio: Alahady, faha 05 Aprily 2020
MARKA 11.1-11
MARKA 11.1-11
1 Ary raha nanakaiky any Jerosalema tao Betifaga sy Betania any an-tendrombohitra Oliva izy, dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany Jesosy 2 ka nanao taminy hoe: Mankanesa amin'iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra eo ianareo, miaraka amin'izay dia hahita zana-boriky mifatotra, izay tsy mbola nitaingenan'olona; vahao izy, ka ento et?. 3 Ary raha misy olona manao aminareo hoe: Ahoana no anaovanareo izao? dia lazao hoe: Misy raharaha analan'ny Tompo azy; dia havelany ho entina et? indray miaraka amin'izay izy. 4 Dia nandeha izy ka nahita zana-boriky nifatotra teo ala-trano anilan'ny varavarana teo an-dalana, dia novahany izy. 5 Ary ny olona sasany teo nanao taminy hoe: Ahoana no amahanareo ny zana-boriky? 6 Ary izy nilaza taminy araka izay nolazain'i Jesosy taminy, dia navelan'ny olona handeha izy. 7 Ary nentiny teo amin'i Jesosy ny zana-boriky, dia nataony teo amboniny ny lambany; ary Jesosy nitaingina azy. 8 Ary maro no namelatra ny lambany teny an-dalana; ary ny sasany kosa nampihahaka rantsan-kazo izay efa nalainy tany an-tsaha. 9 Ary izay nandeha teo alohany sy izay nanaraka teo aoriany dia samy niantso hoe: Hosana! Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah! 10 Hotahina anie ny fanjakana izay avy, dia ny an'i Davida raintsika! Hosana any amin'ny avo indrindra (Sal. 118. 26). 11 Ary Jesosy niditra tany Jerosalema ka nankeo an-kianjan'ny tempoly; ary rehefa nijerijery ny zavatra rehetra Izy, sady efa hariva ny andro tamin'izay, dia niala Izy mbamin'ny roa ambin'ny folo lahy ka nankany Betania.Ny mino vavolombelon’ny fitsanganan’ny Tompo
1-Miaina amin’ny fankatoavana sy fahafoizana
Tsy niady hevitra ary tsy nametra-panontaniana eto ny mpianatra na dia toa iraka sarotra tanterahina aza no nanirahan’ny Tompo azy ireo . Nanaiky sy nankato avy hatrany ny mpianatra satria ny Tompo no maniraka. Dia toy izany koa ilay anirahana , nankato avy hatrany satria ilay mpanjaka no maniraka haka ny zana-boriky .Taratra eto fa samy resy lahatra ireo fa mpanjaka sy Tompo mendrika hankatoavina sy hahafoizana ny zavatra rehetra Jesoa .Karemy izao , ny fankatoavana sy ny fahafoizana , izany no andrasana amintsika kristiana . Azon’ny Tompo Jesoa irahana sy hakany izay ilainy ve isika?
2-Miaina amin’ny fankalazana Azy
Mpanjaka i Jesoa , mitaingina zanaboriky fa tsy soavaly na rameva (Zakaria 9.9) . Izy no Mpanjakan’ny mpanjaka fa tsy ny olona no mampanjaka Azy. Mampanjaka tsy vonon-kiady amin’ny olona akory ny Tompo fa hiady amin’ny fahotana sy ny faharatsiana . Koa izay efa no vonjeny no afaka amin’ny fahotana sy ny faharatsiana . Koa izay efa novonjeny ho afaka amin’ny fahotana sy ny faharatsiana dia maneho fiainam-pankalazana Azy. Maro tamin’ireo vahoaka nampitenenan’ny Fanahy hiantso fiderana sy fankalazana an’i Jesoa Mpanjaka no nihoby hoe: »Hosana » , hiakam-piderana noho ny fahatsapana ny famonjena, fa antsoantsom-pamonjena koa mba ho tanteraka aminy ny famonjen’i Jesoa . Hiakam-pisaorana sy fitahiana satria tonga ny mpanjaka avy any amin’ny avo indrindra.
Fanontaniana:
Hatraiza ny fetra anekenao an’i Jesoa Mpanjaka?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM