Ny Filazantsaran’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alahady, faha 29 Martsa 2020
MARKA 1.14-15
MARKA 1.14-15
14 Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran'Andriamanitra 15 ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara.Ny Filazantsaran’Andriamanitra
Ny Filazantsara na lazaina koa hoe: « vaovao mahafaly » dia entina ilazana zavatra roa samy hafa nefa mifameno ihany :
-nanondroana ireo boky efatra izay nanangonana ny tenin’i Jesoa sy ny asany rehetra tety an-tany , ny nampijaliana azy sy ny namonoana Azy ary indrindra ny nitsanganany tamin’ny maty .
-nilazana ny hafatra nentin’i Jesoa Kristy mivantana izany (Mar 1.14) na ny hafatra nataon’ny hafa momba an’i Jesoa Kristy koa(Mar 1.1) . Koa ny Filazantsara dia toriana satria :
1-Milaza fa efa antomotra ny fotoana
Voalaza eto hoe: « efa tonga ny fotoana , efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra » .Raha ny marina dia efa ao anatin’ny « andro farany » mihitsy isika izao , izany hoe: efa ao anatin’ny vanim-potoana tokony hiheveran-tena ho olon’ Andriamanitra indray fa tsy ho very fotoana hanjehy ny andro ho lava fotsiny. Ampahafantarina àry isika fa efa antomotra ny fotoana sao tonga amin’ny fiteny hoe: atoandro faka ronono ka ilaozan’ny omby miahaka.
2-Mandidy ny olona hibebaka
Ilay hoe: mihevi-tena ho an’Andriamanitra dia miverina amin’ Andriamanitra indrindra no takiana amin’ny olona amin’izany ka tanterahina amin’ny alalan’ny fibebahana izany . Amin’ny teny hafa , ny hoe: mibebaka dia manomboka hatrany amin’ny fiaikena amin’ny faharatsian’ny tena aloha avy eo mitondra izany faharatsiana izany ho eo amin’i Jesoa Kristy mba hohomboany sy holevoniny izany ary manaiky hohavaoziny kosa indray ary dia miaina sy mivelona amin’ny Filazantsara .
Fanontaniana:
Manaiky ve ianao fa antomotra ny farany?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM