Vonona mandray ny olona  miverina Aminy  ve ny Tompo  Andriamanitra?

Mofonaina anio: Alarobia, faha 25 Martsa 2020
Lioka 15,11 - 24
11 Ary hoy Jesosy: Nisy lehilahy anankiray nanana zanaka mirahalahy. 12 Ary hoy ilay zandriny tamin-drainy: Raiko, omeo ahy ny anjara-fananana tokony ho ahy. Dia nozarainy tamin'izy mirahalahy ny fananany. 13 Ary nony afaka kelikely, dia nangonin'ilay zandriny ny fananany rehetra, ka lasa nankany an-tany lavitra izy, dia nandany ny fananany tamin'ny fiveloman-dratsy tany. 14 Ary rehefa laniny avokoa ny fananany rehetra, dia nisy mosary mafy tamin'izany tany izany, ka nahantra izy. 15 Dia nandeha izy ka niankina tamin'ny tompon-tany anankiray tamin'izany tany izany, ary dia nirahiny tany an-tsahany hiandry kisoa. 16 Ary satriny hameno ny kibony tamin'ny voan-kazo fihinan'ny kisoa, fa tsy nisy nanome azy. 17 Ary raha nody ny sainy, dia hoy izy: Indrisy maro ny olona karamain'ny raiko manan-kanina be dia be, fa izaho kosa maty mosary eto! 18 Hiainga aho, dia hody any amin'ny raiko ka hanao aminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho 19 ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony; fa ataovy tahaka ny anankiray amin'ny olona karamainao aho. 20 Dia niainga izy ka nankany amin-drainy. Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy. 21 Ary ilay zanany nanao taminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony. 22 Fa rainy kosa nanao tamin'ny ankizilahiny hoe: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; ary asio peratra ny tànany sy kapa ny tongony; 23 ary ento ny zanak'omby nafahy, ka vonoy; ary aoka isika hihinana sy hifaly; 24 fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. Dia nifaly izy.

1-Ratsy ny miala ao an-tranon-dray

Araho tsara  ny fizotran’ny fiainan’ity tovolahy  ity (and11-16) . Tao an-tranon-drainy  izy no nonina  sy nipetraka  tamin’ny voalohany . Lazaina hoe: milamina  ny fiianan’ny zanaka  ao an-tranon-dray  raha ny marina  satria  ny tena ray dia mihevitra  hatrany  izay hahasoa ny zanany  sy manomana  ny hoaviny .

Nangataka tamin-drainy   anefa  ilay zazalahy   hanome  azy ny anjara lovany  ary lasa izy  niala  tao an-tranon-drainy  ka nankany  an-tany lavitra . Hiala ao an-tranon-drainy  izy izany  mba hiaina  tamin’ny fiveloman-dratsy  izy . Tsy mahagaga izany satria  ny “lovany”rehetra  no nentiny ary azo heverina fa vola sy fananambe izany , kanefa tsy  nahay  nitantana izy ka lanilany  tamin’ny tsy  misy dikany  akory . Taty aoriana dia lasa  “nahantra indrindra izy” ka  ny voankazo  fihinan-kisoa  sisa  no hany   azony hohanina . Mariho  tsara  ny fitongonan’ny fiainany  rehefa niala  tao an-tranon-drainy izy .

2-Ilaina   ny  miverina ho ao an-tranon-dray

Voalaza eto  hoe:  “raha nody ny sainy” , izany hoe: izay  izy vao nieritreritra  izay tokony hataony  sy izay mety  aminy , dia ny hiverina  ho ao an-tranon-drainy  satria mahatsara  azy  izany . Teo aloha mantsy  dia mbola notampohan’ny nikirakira volabe  sy harembe  dia tsy  nihevitra izay tokony  hataony  velively , fa rehefa voadona  izany  ny  olona  vao mihevitra izay tokony hataony .Omena antsika  izao teny anio izao  mba hilazana fa miandry  voadona  tahaka ity tranga ity  vao hody  ny saina ka hahatsapa  ny hatsaran’ny ao an-tranon-dray.

Fanontaniana :

Vonona mandray ny olona  miverina Aminy  ve ny Tompo  Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM