Fampisainan’ Andriamanitra ny olona ny zava-misy fa:
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 23 Martsa 2020
ASAN'NY APOSTOLY 3.12-21
ASAN'NY APOSTOLY 3.12-21
12 Ary Petera, nony nahita, dia namaly ny vahoaka hoe: Ry lehilahy Isiraely, nahoana no talanjona amin'izany ianareo? Ary nahoana no mandinika anay ianareo, toa herinay na fahamasinanay no nanaovanay azy ho afa-mandeha? 13 Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an'i Jesosy Mpanompony*, Izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan'i Pilato, rehefa nokasainy halefa. [* Na: Zanany] 14 Fa ianareo nandà Ilay Masina sy Marina, ary mpamono olona no nangatahinareo halefa ho anareo; 15 fa ny Tompon'ny aina kosa no novonoinareo; fa Izy natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty, ary vavolombelon'izany izahay. 16 Ary ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izay azo amin'ny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara eto imasonareo rehetra izao. 17 Ary ankehitriny, ry rahalahy, fantatro fa tamin'ny tsi-fahalalana no nanaovanareo izany, tahaka ny mpanapaka anareo koa. 18 Fa izany no nahatanterahan'Andriamanitra ny zavatra nampilazainy ny mpaminany rehetra rahateo, fa hiaretan'ny Kristiny. 19 Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo, 20 ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy, 21 Ilay tsy maintsy horaisin'ny lanitra mandra-pihavin'ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain'Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin'ny voalohany indrindra.Fampisainan’ Andriamanitra ny olona ny zava-misy fa:
1-Minia tsy mahalala ny olona
(and 17)
Ny tsy fahalalana dia tsy firaharahana ny drafitr’Andriamanitra nampilazainy ireo Mpaminany (and18). Koa tokony ho fantatry ny olona izany , saingy odiany
tsy fantatra . Raha ny marina , dia tsy
tokony hahagaga ny olona miitsy
ny trangan-javatra nisy teo anatrehany
izay nataon’Andriamanitra satria raha mino an’Andriamanitra
sy ny heriny izy ireo dia hanaiky fa
mahavita ny zavatra tsy hain’iza na iza
io Andriamanitra io, kanefa dia tsy te-hahalala fotsiny izao
ireto olona ireto izay isan’ny
nankasitraka ny namonoana an’I Jesoa Kristy
fa naleony nandray olon-dratsy
ka tsy mahagaga raha odiany tsy fantatra izany zavatra izany .
2-Mitaona ny olona hibebaka anefa ny Tompo (and 19)
Misy antso
ataon’I Petera ho amin’ny fiovam-po
eto,mba ho fanafoanana ny fahotana:”mibebaha
ianareo ka miverena mba hamonoana ny
fahotanareo “.Lazain’ny mpahay baiboly fa famaranan-teny mahazatra
fanaon’ny Misionera izany teny izany , rehefa mandresy lahatra ny olona
hibebaka izy ireo . Ny fiovampo
takina dia fiovana tanteraka avy
ao anaty mihitsy , izay manala ny olona ao amin’ny fahalalana sy
tsy firaharahana mba ho tonga amin’ny finoana izay
mampanantona ny olona an’Andriamanitra.
Fanontaniana :
Atao ahoana ny olona tsy te hahalala ny herin’Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM