Mbola mandray izay olona mibebaka Aminy ve ny Tompo?

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 21 Martsa 2020

MALAKIA 2.17-3,7

Malakia 2,17 - 3,7
17 [Ny amin'ny andron'i Jehovah] Efa manasatra an'i Jehovah amin'ny teninareo ianareo. Nefa hoy ianareo: Amin'inona moa no anasaranay Azy ? Amin'ny fanaovanareo hoe: Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason'i Jehovah ka ankasitrahany, na amin'ny hoe: Aiza Andriamanitry ny fitsarana ? 1 Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin*'ny fanekena Izay irinareo, dia, indro, tamy Izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. [Na: Iraky] 2 Nefa iza no mahatanty ny andro hihaviany? Ary iza no mahajanona, raha miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon'ny mpandrendrika sy ny savonin'ny mpanasa lamba. 3 Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak'i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, ka dia ho an'i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana. 4 Dia ho mamin'i Jehovah ny fanatitry ny Joda sy Jerosalema toy ny tamin'ny andro fahiny sy toy ny tamin'ny taona taloha. 5 Ary hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho vavolombelona faingana hanameloka ny mpanana ody sy ny mpijangajanga sy ny mpianian-tsy tò sy ny mpampahory ny mpikarama amin'ny karamany mbamin'ny mpitondratena sy ny kamboty ary izay mampahory ny vahiny; fa tsy matahotra Ahy izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. 6 Fa Izaho Jehovah dia tsy miova, ary ianareo, ry taranak'i Jakoba, dia tsy fongana. 7 Hatramin'ny andron'ny razanareo dia efa niala tamin'ny didiko ianareo ka tsy nitandrina azy. Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Nefa hoy ianareo: Ahoana ary no ho fiverinay?

1-Manao tsinotsinona ny Tompo ny olona

Teo amin’ny fitondran’ Andriamanitra ny olona dia fantatra fa efa nanome didy sy fitsipika ary lalàna maro samihafa Izy , mba hahatonga ny olona hahay handeha eo anatrehany .Nomeny tamin’ny alalan’ny mpanompony maro izany ary tamin’ny vanim-potoana maro samihafa koa ho an’ny taranaka nifandimby. Eto àry , rehefa lazaina ny olona hoe: « efa nanasatra an’i Jehovah ianareo » dia mahasahy mamaly hoe : amin’ny inona no hanasaranay Azy ? Miteny izany ny olona satria tsy fantany akory hoe : manao ratsy izy. Voalaza eo amin’ny and 7 anefa fa ny taranaka nifandimby rehetra dia niala sy tsy niraharaha ny didin’Andriamanitra avokoa . Mpanao ratsy ny olona , mpanota ny olona (jereo Sal 14.1-3) kanefa tian’Andriamanitra ka asainy mibebaka eo anatrehany indray « miverena Amiko dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho »(and 7).

2-Misy valiny ny fanaovana tsinotsinona Azy

Tsy hojeren’ Andriamanitra fotsiny anefa ny ratsy ataon’ny olona fa « haniraka ny irako Aho » , hoy Izy mba hamaly ny faharatsiana ataonareo ka iza no hahajanona eo anatrehany ? Ho toy ny afon’ny mpandrendrika izany ary ho toy ny savonin’ny mpanasa lamba , izany hoe hanadio sy hanala ny fahalotoana . Handevona izay rehetra tsy mendrika izany , andaniny, fa hanadio izay rehetra mety hodiovina kosa ankilany mba ho mpanompon’ Andriamanitra ho mendrika Azy tokoa amin’ny asa sy ny fanompoana Azy .

Fanontaniana:

Mbola mandray izay olona mibebaka Aminy ve ny Tompo?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Erreur de la base de données WordPress : [Error writing file '/tmp/MYOwZdig' (Errcode: 28 - No space left on device)]
SELECT SQL_CALC_FOUND_ROWS wp_posts.ID FROM wp_posts INNER JOIN wp_postmeta ON ( wp_posts.ID = wp_postmeta.post_id ) INNER JOIN wp_postmeta AS mt1 ON ( wp_posts.ID = mt1.post_id ) WHERE 1=1 AND wp_posts.ID NOT IN (43349) AND ( wp_postmeta.meta_key = 'date_du_lecture_journaliere' AND ( ( mt1.meta_key = 'date_du_lecture_journaliere' AND CAST(mt1.meta_value AS DATE) < '20200321' ) ) ) AND ((wp_posts.post_type = 'mofonaina' AND (wp_posts.post_status = 'publish' OR wp_posts.post_status = 'acf-disabled'))) GROUP BY wp_posts.ID ORDER BY wp_postmeta.meta_value DESC LIMIT 0, 3

Tsy misy mofonaina hafa hita.