Ny asa nataon’i Jesoa

Mofonaina anio: Alarobia, faha 04 Martsa 2020

MATIO 11.20-24

MATIO 11.20-24
20 Ary tamin'izany dia vao niteny mafy ny tanàna izay nanaovany ny ankamaroan'ny asany lehibe Izy, satria tsy nibebaka ireo, ka nanao hoe: 21 Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin'ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny. 22 Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'i Tyro sy Sidona amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminareo. 23 Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita* ianao; fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao, dia ho naharitra ambaraka androany izy. 24 Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'ny tany Sodoma amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminao.

Ny asa nataon’i Jesoa

Misy tanàna telo ambaran’i Matio eto fa niasan’i Jesoa .Rehefa tena dinihana ny fitantarana dia asa maro sy lehibe no nataon’i Jesoa tany amin’ireo tanàna ireo .Asa izay nikendry zavatra manokana koa anefa izany .

1-Asa mikendry fibebahana (and21)

« fa raha tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izao natao teo aminareo dia ho efa nibebaka ela …ireny « Avy amin’izao tenin’i Jesoa izao no hahatakarantsika fa anisan’ny iray amin’ny zava-nokendren’ Andriamanitra ny fibebahana tamin’ny asan’i Jesoa . Ny dikateny tsotra indrindra amin’ny hoe: mibebaka dia fiverenana amin’ Andriamanitra. Raha nisy asa lehibe nataon’ Andriamanitra teo amin’ny fiainantsika , dia nikendry izay hiverenan’ny fifandraisana eo amintsika sy ny Tompo izany . Raha toa ka tsy tafaverina izany fifandraisana izany dia izay lazain’i Jesoa eto hoe: LOZA , satria hery sy fotoana very maina fotsiny . Loza satria ny hafa rehefa nahita ny hafa nibebaka dia mametra-panontaniana hoe: » fa maninona isika no tsy tonga amin’izany ? »

2-Asa mikendry fiarovana (and 23)

« fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lebibe izay natao teo aminao , dia ho naharitra ambaraka androany izy » . Ny asa natao tamin’ireo toerana ireo dia ambaran’i Jesoa fa naharo an’i Sodoma tamin’ny fandevonan’ny afo raha natao tany . Enti-milaza amintsika ankehitriny fa miasa ny Tompo amin’ny alalan’i Jesoa ho fiarovana antsika tsy ho ringana sy ho levona koa. Asehon’i Matio tsara amintsika ankehitriny fa tena miaro antsika i Jesoa , miaro amin’ny loza samihafa.

Fanontaniana:

Mbola miasa ve i Jesoa ? Inona no vokatsoa ateraky ny asany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM