Andriamanitra marina.Tsarovy
Mofonaina anio: Zoma, faha 07 Febroary 2020
SALAMO 89.33-37
SALAMO 89.33-37
33 Nefa ny famindram-poko tsy hofoanako aminy, Ary ny fahamarinako tsy havadiko, 34 Ny fanekeko tsy hotsoahako, Ary ny nolazain'ny molotro tsy hovako. 35 Izao zavatra iray loha izao no nianianako tamin'ny fahamasinako, Tsy handainga amin'i Davida mihitsy Aho: 36 Ny taranany haharitra mandrakizay, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny masoandro eo anatrehako; 37 Hampitoerina mandrakizay tahaka ny volana izy, Tahaka ny vavolombelona marina any an-danitra*.[Na: Ary ny vavolombelona any an-danitra dia marina]Andriamanitra marina.Tsarovy
Salamo maneho ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’i Davida .Marina Andriamanitra ka mitana ny teniny .
1-Mitana ny teniny
Nanambara ny fanekeny tamin’i Davida Andriamanitra .Fanekena nataony ny filazana fa haharitra madrakizay ny fanjakan’i Davida, izany hoe : hisy hatrany ireo mpanjaka avy amin’ny taranany.Hoy ny voalaza :« nefa ny famindrampoko tsy hofoanako aminy , ary ny fahamarinako tsy havadiko , ny fanekeko tsy hotsoahako« . Mampahatsiaro izany fa ny fanekena nataon’Andriamanitra dia tsy miova mandrakizay .Tsarovy fa ny olombelona no mety miova sy manadino ny teny nataony fa tsy mba toy izany kosa Andriamanitra .Matokia Azy.
2-Manatanteraka fanekena nataony
Mitana ny fanekena nataony Andriamanitra sady miasa ho amin’ny fanatanterahana izany ka hisy mpanjaka hivoaka avy amin’ny taranak’iDavida : »Izao zavatra iray loha izao no nianianako tamin’ny fahamasinana …ny taranany haharitra mandrakizay » (and35,36). Na toa inona na toa inona toe-javatra mitranga eo amin’ny fiainan’izao tontolo izao dia tanerahin’ Andriamanitra ny fanekena nataony .Tanteraka tao amin’i Jesoa Krisyy ,ilay avy amin’ny taranak’i Davida izany . Jesoa Kristy dia te-hanjaka mandrakizay eo amin’ny fiainantsika raha mino sy manaiky Azy ho Tompo sy Mpamonjy isika .
Fanontaniana:
Efa nekenao ho Tompo sy Mpamonjy ve i Jesoa Kristy . Fomba ahoana no annatanterahanao izany ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM