Ny maha-Izy Azy ny Teny
Mofonaina anio: Talata, faha 04 Febroary 2020
JAONA 1.1-8
JAONA 1.1-8
1 Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. 2 Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany. 3 Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza. 4 Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona. 5 Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy*. [*Na: Tsy mahasakana azy] 6 Nisy lehilahy nirahin'Andriamanitra, Jaona no anarany. 7 Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan'ny olona rehetra noho ny teniny. 8 Tsy izy anefa no Ilay Mazava, fa tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava ihany izy.Ny maha-Izy Azy ny Teny
1-Maharitra mandrakizay
Mazava tsara ny fanambaram-pinoana « tamin’ny voalohany » na koa hoe : « tany am-piandohana » .Aseho amin’izany fa ny Teny dia efa hatramin’ny ela , talohan’ny namoronan’ Andriamanitra izao tontolo izao dia efa nisy . Teny maharitra mandrakizay izany , teny tsy miova ka azo antoka.Toetra mampiavaka ny Tenin’ Andriamanitra izany : marina sy azo antoka izay ambarany noho izany minoa sy matokia dia handray ny fiainana avy Aminy ianao.
2-Manome fiainana
Mifamatotra tamin’ny naharian’Andriamanitra izao tontolo izao ny Teny . Teny mpahary ,teny manankery . Teny loharanom-piainana sy fototry ny fisian’ny zavatra rehetra.Rehefa mandray ny Tenin’ Andriamanitra ianao dia mitondra fiainana ho anao izany .Ao amin’i Jesoa Kristy , Ilay Teny tonga nofo ny fahavelomana ho antsika .
3-Mampita hafatra
Ny Tenin’ Andriamanitra no loharanon’ny fiainana sy mitondra fahazavana manafaka ny olona amin’ny aizina .Tsy ho fantatry ny olona anefa izany rehetra izany raha tsy teo i Jaona , Ilay vavolombelona manambara izany . Nampiasa , nanambara ny hampitana hafatra . Ny fanambarana an’i Jesoa Kristy , Ilay Teny tonga nofo no hahafahantsika mandray ny hafatra fa namonjy antsika noho ny fitiavany Andriamanitra.
Fanontaniana:
Fomba ahoana no entinao manambara fa marina sy azo antoka ny Tenin’ Andriamanitra?