Andriamanitra manatanteraka ny fanekeny

Mofonaina anio: Alahady, faha 02 Febroary 2020

SALAMO 111.1-8

SALAMO 111.1-8
1 [Salamo abidy. Ny fahatsaran'Andriamanitra, sy ny soa ataony amin'ny olony] Haleloia. Hidera an'i Jehovah amin'ny foko rehetra aho, Eo amin'ny fivorian'ny marina sy ny fiangonan-dehibe. 2 Lehibe ny asan'i Jehovah, Ka dinihin'izay rehetra mankasitraka azy. 3 Madera sady malaza ny asany; Ary ny fahamarinany maharitra mandrakizay. 4 Manao izay hahatsiarovana ny fahagagana ataony Izy; Miantra sy mamindra fo Jehovah. 5 Nomeny hanina* izay matahotra Azy; Tsarovany mandrakizay ny fanekeny.[Heb. toha] 6 Ny herin'ny asany nasehony tamin'ny olony. Tamin'ny nanomezany azy ny lovan'ny jentilisa. 7 Ny asan'ny tànany dia fahamarinana sy fitsarana; Mahatoky avokoa ny didiny rehetra; 8 Mitoetra mafy mandrakizay doria ireny, Fa natao tamin'ny fahamarinana sy ny fahitsiana.

Andriamanitra manatanteraka ny fanekeny

Asehon’ny mpanao salamo fa ilay Andriamanitra tsara sady mpanao ny tsara dia manatanteraka ny fanekena .

1-Maneho izany amin’ny asany

Ny asa tanterahin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ny olona no hanehoany fa mitana ny fanekena nataony Izy . Asa lehibe tena miavaka izany . Izy no nanafaka ny zanak’Israely tany amin’ny tany Egypta , tany nahandevozana . Asam-pamonjena izany , asa fanafahana tamin’ny fatoran’ny fahavalo , asa maneho ny maha-Andriamanitra marina Azy , ilay mankasitraka ny fahorian’ny olony . Ny olona mino Azy dia mitady izany mandrakariva . Notanterahin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy io asa io dia ny nanafahana antsika tamin’ny fahotana.

2-Mikarakara ny olony

Fikarakarana feno ny tanterahin’ Andrtiamanitra ho an’izay matahotra Azy. Mitana ny fanekena izay efa nataony Izy . Tanteraka ny asam-pamonjena izay nataony. Mifameno amin’izany dia manao izay hahalavorary ny fiainan’ny olony Izy ka manome izay rehetra mahasoa. Eny , naneho ny heriny Tsitoha Andriamanitra ka nomeny ho lovan’ny olona ilay tany fampanantenana , araka ny nambarany tamin’i Abrahama.Tsarovy fa mitana ny fanekeny mandrakariva tokoa Andriamanitra . Mikarakara ny fiainantsika isanandro Izy , nefa koa omeny anjara lova ho antsika matahotra Azy ny fiainana mandrakizay .

Fanontaniana:

Inona no tsapanao rehefa mamaky sy mandinika ny Tenin’ Andriamanitra ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM