Miverena amin’i Jehovah !
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 25 Janoary 2020
HOSEA 6.1-3
HOSEA 6.1-3
1 Andeha hiverina ho amin'i Jehovah isika; Fa Izy no namiravira, ary Izy ihany no hahasitrana antsika; Izy no namely, ary Izy no hamehy ny ferintsika. 2 Rehefa afaka indroa andro, dia hovelominy indray isika; Ary amin'ny andro fahatelo, dia hatsangany ho velona eo anatrehany isika 3 Dia aoka hahalala, eny, aoka hiezaka hahalala an'i Jehovah isika; Mahatoky toy ny maraina ny fiposahany, dia ho avy amintsika toy ny ranonorana mivatravatra Izy, sy toy ny fara orana izay mahavonto ny tany.Miverena amin’i Jehovah !
1-Fa aza miandry kapoka (and1a)
Taomin’i Hosea ny olona hahafoy ny fahalovana sy ny tsy fahamarinana rehetra.Tarihiny koa mba tsy hifanditea fa mba hahalala an’ Andriamanitra kosa (Hos 4.1) fa izay tena tsindriany dia ny filazana fa Andriamanitra tsy tia ampirafesina amin-tsampy na andriamanin-kafa (Hos 4.11) , ary ny finiavana manao izany no mahatonga azy hikapoka . Nohamafisin’iJesoa izany rehefa nilaza Izy hoe : tsy misy mpanompo mahay manompo Tompo roa . Aoka àry isika tsy hanana andriamanin-kafa na manompo azy ireny na amin’ny endriny mivantana izany (tapakazo , doany …), na amin’ny fomba ankolaka (vola…) fa izany no mahatonga an’Andriamanitra hamiravira izay manao izany .
2-Dia hahasitrana Izy (and1b)
Ny anjara ho an’izay miverina amin’i Jehovah no ambaran’ny Hos 6.1b-3 eto , rehefa mitodika amin’ Andriamanitra indray ny olona , mitodi-damosina ny faharatsiana , dia ilay tàna-maherin’ Andriamanitra izay namiravira kosa no ho tànana mahery hanasitrana azy ireo , hamerina amin’ny laoniny izay nikorontana sy voaviravira . Raha mandinika tsara ity perikopa ity isika dia mahita fa ny lisitry ny zava-tsoa omen’ Andriamanitra dia be lavitra noho ny filazana ny tànan’ Andriamanitra mikapoka, maneho miharihary ny fitiavan’ Andriamanitra izany .Andeha hiverina amin’ny Tompo isika dia hahita fahasitranana fa antso efa nataon’i Jesoa rahateo izany (Mat 11.28)
Fanontaniana:
Nahoana no mbola tsy mety miverina amin’ Andriamanitra ny olona?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM