Ny olona tena nantsoin’i Kristy dia:

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 23 Janoary 2020

2 KORINTIANA 2.14-17

2 KORINTIANA 2.14-17
14 Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay mitondra anay mandrakariva ao amin'i Kristy toy ny fanaon'izay avy nandresy, ka dia ampisehoany ny hanitry ny fahalalana Azy eny tontolo eny izahay. 15 Fa hanitr'i Kristy ho an'Andriamanitra izahay amin'izay hovonjena sy izay ho very: 16 amin'ny sasany dia hanitra avy amin'ny fahafatesana ho amin'ny fahafatesana; fa amin'ny sasany kosa dia hanitra avy amin'ny fiainana ho amin'ny fiainana. Koa iza moa no antonona ho amin'izany zavatra izany? 17 Fa tsy mba toy ny maro izay manatsatso ny tenin'Andriamanitra hahazoam-bola izahay; fa toy ny amin'ny fahadiovam-po kosa, dia avy amin'Andriamanitra sady eo anatrehan'Andriamanitra no itenenanay ao amin'i Kristy.

Ny olona tena nantsoin’i Kristy dia:

1-Entiny tahaka ny mpandresy (and14)

Mahatonga an’i Paoly hisaotra an’ Andriamanitra ny fitondran’i Kristy azy tahaka ny mpandresy . Fomban’ny avy nandresy mantsy ny manao filaharambe ka manotrona azy amin’izany ary mandeha eo anoloany ny mpiara-dia aminy sady manipy hanitra eran’ny làlana rehetra lalovany . Ka na dia ilay olona iray aza no avy nahazo fandresena , dia ireo rehetra miara-dia dia misitraka io, fandresena io .

2-Manana fanetretena (and15-16)

Miaro ny maha- Apostoly azy moa i Paoly eto amin’izao perikopa izao , ary maneho fa raha mba afaka manao ny asan’ Andriamanitra izy dia hoe satria tsy izy akory no ilay tena tompon’ny fandresena fa izy kosa ilay « hanitra » apariaka eny rehetra eny hanambara ka hanimbolo izany hanitra izany satria misy fandresena azony noho ny amin’i Kristy . Ny mpno dia tokony hanana izany fanetretena izany , ka hahatsiaro fa i Kristy fa tsy isika no tokony hisandratra sy hampahantarina ary tsy azontsika aodina ho antsika izany .

3-Mitory madio ny Tenin’Andriamanitra (and17)

Ao anatin’ny fanamafisany ny maha-tena olona nantsoin’ny Tompo azy i Paoly dia milaza mazava fa tsy mba manao nyTenin’ Andriamanitra ho fitadiavam-bola na fangoronana harena ho an’ny tenany , fa tena mitory madio kosa ny Tenin’ Andriamanitra ary tsy manodikodina izany ho amin’ny tombotsoa manokana . Ilaina ny fahasahiana mitory ka tsy tia kely , mianatra amin’i Kristy indrindra isika amin’izany .Izy dia tsy nobaikon’ny fitiava-tombotsoa , fa manao ny sitrapon’Ilay naniraka Azy rehefa nitory ny Tenin’ Andriamanitra .

Fanontaniana:

Inona no tokony hatao mba hahatonga anao ho tena hanitr’i Kristy?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM