Tian’ Andriamanitra Jerosalema ka:

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 18 Janoary 2020

ISAIA 54.11-17

ISAIA 54.11-17
11 Hianao, ry ory izay afotofoton'ny tafiodrivotra sady tsy manana fampiononana, indro, Izaho handatsaka ny vatonao amin'ny antimony sy hanorina ny fanambaninao amin'ny safira, 12 Hataoko robina ny tilikambo madinikao, sy karbonkolo ny vavahadinao, ary vato soa ny faritaninao manodidina. 13 Ary ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin'i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan'ny zanakao. 14 Amin'ny fahamarinana no hampiorenana anao; aza manahy* ny fampahoriana, fa tsy hatahotra ianao, na ny fampahatahorana, fa tsy hanakaiky anao izany. [Heb. Manalavira] 15 Na dia misy miara-mioko aza, dia tsy avy amiko izany; ary na iza na iza miara-mioko hamely anao dia ho tonga hiandany aminao* kosa. [Na: ho lavo noho ny aminao] 16 Indro, Izaho no nahary ny mpanefy izay mifofotra ny afo amin'ny arina ka mahavita fiasana hanaovany ny asany*; Ary Izaho koa no nahary ny mpandringana mba handringana. [Na: fiadiana araka ny asany] 17 Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan'ny mpanompon'i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah.

Tian’ Andriamanitra Jerosalema ka:

1-Vonona hanorina sy hanarina azy indray Izy( and 11,12)

Any am-pahababoana ny vahoakan’ Andriamanitra mahatsiaro ho tsy misy mpijery , mahatsiaro ho efa torotoro , kanefa ao anatin’izany , indro ny Tompo maneho ny fahavononany hanarina azy ireo indray. Sary an’ohatra no entin’ny Tompo maneho izany fahavononany izany eto (and11,12).Tia antsika vahoakany ny Tompo , tsy adinony isika ary tsy ataony vato latsaka an-kady.

2-Vonona hiantoka ny ho aviny Izy (and 13)

Tsy ny ankehitrinin’ny olony ihany no efa aorin’ Andriamanitra indray sy areniny , fa hatramin’ny taranaka no efa ambarany sahady fa » ho be ny fiadanan’ny zanakao« .Izany hoe: ny ho avy mihitsy no efa voatsinjon’ny Tompo mialoha sahady . Mitaona antsika hametraka fitokisana amin’ Andriamanitra izany , fa fiainantsika manontolo na ny lasa na ny ankehitriny na ny ho avy dia efa tsinjoviny .

3-Vonona hampandresy azy Izy (and15,17)

Manome toky ny toky ny vahoakany Andriamanitra eto , fa na dia manam-pahavalo aza izy ireo dia Izy mihitsy no miantoka ny fandresena sy fiarovana azy. Ho lavo eo anoloan’ny olona ny fahavalony , ho ringana izy ireny , ary ataon’ny Tompo mandamoka ny tetika rehetra nomanin’ny fahavalo .

Fanontaniana:

Inona no mbola mampisalasala anao ny amin’ny fitiavan’ Andriamanitra anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM