Rehefa manaraka an’i Jesoa.
Mofonaina anio: Zoma, faha 17 Janoary 2020
MARKA 4.35-41
MARKA 4.35-41
35 Ary androtrizay ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy taminy: Andeha isika hita ho eny am-pita. 36 Ary rehefa nampodin'ny mpianany ny vahoaka, dia nentiny tamin'io sambokely io tamin'izao ihany Jesosy. Ary nisy sambokely sasany koa niaraka taminy. 37 Ary nisy tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran'ny alondrano ny sambokely ka nila ho feno rano. 38 Ary Jesosy natory teo am-bodin'ny sambokely tambonin'ny ondana; ary namoha Azy izy ireo ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao? 39 Ary nifoha Izy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin'ny ranomasina hoe: Mangina, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro. 40 Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo? 41 Ary natahotra indrindra izy ireo ka niresaka hoe: Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?Rehefa manaraka an’i Jesoa.
Rehefa avy nanao fanoharana ny fanjakan’ Andriamanitra i Jesoa dia nitaona ny mpianany ho eny am-pita . Izany no maneho amintsika fa i Jesoa mihitsy no mitondra dia manaraka ny mpianatra na dia hariva aza ny andro.
1-Tsy maintsy mamaky alondrano (and37)
Niondrana an-tsambokely i Jesoa sy ny mpianany .Teny am-pandehanana dia nisy tafio-drivotra mahery ary nianjerazeran’ny alondrano ny sambokely ka nila ho feno rano .Eo anatrehan’ izany toejavatra izany dia voalazan’ny Filazantsara fa natory teo ambodin’ny sambokely i Jesoa. Aseho antsika amin’izany fa làlana efa voaoman’i Jesoa ho tsy maintsy lalovan’ny mpanara-dia azy ny fiatrehana zava-tsarotra ,hizahana toetra ny finoany sy ny fironan’ny antso vonjiny raha miady mafy izy. Tsy tokony ho taitra na ho gaga izany izay te-hanaraka an’i Jesoa raha miatrika ady mangotraka.
2-Tsy maintsy tafita (and39)
Niantso vonjy tamin’i Jesoa ny mpianatra , ary tsy nisalasala niditra an-tsehatra Izy . Nampangininy ny rivotra , nampitsahariny ny ranomasina. Nahita ny herin’i Jesoa ireto mpianatra ireto fa tsy navelany ho rendrika . Ny fanalahidin’ny famonjena ho azy ireo dia ny fiantsoana an’i Jesoa avy hatrany . Dia nitsangana iJesoa ho famonjena . Ny matoateny ampiasaina amin’io Jesoa mitsangana io no ampiasaina rehefa avy nndresy ny fahafatesana Izy ka nitsangana tamin’ny maty . Lalana tsy maintsy hizorana ny zava-tsarotra rehefa manaraka an’i Jesoa , fa azao antoka ny fandresena ho an’izay miantoraka aminy amin’ny finoana.
Fanontaniana:
Ahoana no endrika isehoan’io alondrano io ho anao ary inona kosa no ataonao manoloana izany ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM