Ny tàna-maherin’ny Tompo

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 11 Janoary 2020

MATIO 14.22-33

MATIO 14.22-33
22 Ary niaraka tamin'izay dia nanery ny mpianatra hiondrana an-tsambokely Jesosy ka hita eo alohany ho eny am-pita mandra-pandràvany ny vahoaka. 23 Ary rehefa noravany ny vahoaka, dia niakatra tao an-tendrombohitra Izy mba hitokana hivavaka; ary nony hariva ny andro, dia nitoetra irery teo Izy. 24 Ary efa mby teo ampovoan'ny ranomasina ny sambokely tamin'izay, dia natopatopan'ny alon-drano izy, fa notohain'ny rivotra. 25 Ary tamin'ny fiambenana fahefatra amin'ny alina dia nankeny amin'ny mpianany Jesosy, nitsangantsangana teny ambonin'ny ranomasina. 26 Ary nony nahita Azy nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina ny mpianatra, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Matoatoa io; dia niantso izy noho ny tahotra. 27 Ary Jesosy niteny taminy niaraka tamin'izay hoe: Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra. 28 Ary Petera namaly Azy ka nanao hoe: Tompoko, raha Hianao ihany, dia asaovy manatona Anao eny ambonin'ny rano aho. 29 Ary hoy Izy: Manatona. Dia nidina niala tamin'ny sambokely Petera ka nandeha tambonin'ny rano hanatona an'i Jesosy. 30 Fa raha nahita ny rivotra* izy, dia natahotra, ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho![* Na: (rivotra mahery)] 31 Ary naninjitra ny tànany niaraka tamin'izay Jesosy, dia nandray azy ka nanao taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no niahanahana ianao? 32 Ary rehefa niakatra teo an-tsambokely izy, dia nitsahatra ny rivotra. 33 Ary izay teo an-tsambokely dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Zanak'Andriamanitra tokoa Hianao.

Ny tàna-maherin’ny Tompo

1-Manampahefana amin’ny zava-boahary rehetra

Rehefa vitan’i Jesoa ny namahana ny olona tsy omby dimy arivo dia nalefany hialoha Azy ny mpianatra , fa Izy kosa mbola nijanona nampody ny vahoaka.Taorian’izany dia voalaza fa niakatra tao an-tendrombohitra Izy mba hivavaka.Tsy niaraka niondrana an-tsambokely tamin’ny mpianatra Izy .Teny am-povoan-dranomasina dia nisedra olana iretsy farany (and24). Tamin’izany no nahitan’izy ireo an’i Jesoa nitsangatsangana teny ambony ranomasina , saingy tsy nihevitra ireo , na nino fa Izy tokoa no hitany . Fahagagana tsy takatry ny saina izany.Mahita sy lmanatrika ny fiainantsika manontolo ny Tompo :tsy misy toerana na olana izay tsy hanatrehany antsika. Matetika isika no tsy mahatsapa izany ka mahatsiaro ho difotra sy sahirana aoka izany .

2-Maneho ny maha-Zanak’ Andriamanitra

Amin’ny toe-javatra toy izao dia ny tahotra no mameno ny fo. Ny nanaisotra izany no nataon’i Jesoa voalohany , hoy indrindra Izy: »Matokia , fa Izaho ihany , aza matahotra« (and27). Raha matoky Azy isika dia tsy hanana fanahiana na dia kely akory aza . Na dia misafoaka aza ny onjam-piainana dia tsy haninona akory izany raha tsy mijery afa-tsy i Jesoa sy ny fahefany isika eo am-piatrehana izany. Hanao toa an’i Petera izay rehetra variana eo am-pitanisana olana (and30-31) .Rehefa niakatra tao an-tsambokely nisy ny mpianatra i Jesoa dia nitony ny rivotra .Tora-kovitra ny mpianatra raha nahita izany , ka niankohoka teoa anatrehan’i Jesoa , ary niteny hoe: ‘Tena Zanak’ Andriamanitra tokoa ianao » (and33).

Fanontaniana:

Hazavao ny teny hoe: « kely finoana » (and 31)

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM