Maneho ny tàna-maheriny ny Tompo

Mofonaina anio: Zoma, faha 10 Janoary 2020

ASAN'NY APOSTOLY 12.1-10

Asan'ny Apostoly 12,1 - 10
1 [Ny amin'ny nanenjehana ny fiangonana, sy ny nanafahana an'i Petera tao an-tranomaizina] Ary tamin'izany andro izany Heroda mpanjaka naninjitra ny tànany hampahory ny sasany tamin'ny fiangonana. 2 Ary izy namono an'i Jakoba, rahalahin'i Jaona, tamin'ny sabatra. 3 Ary rehefa hitany fa sitraky ny Jiosy izany, dia nandroso nisambotra an'i Petera koa izy. (Efa mby tamin'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin'izany.) 4 Ary rehefa nosamboriny izy, dia nataony tao an-tranomaizina ka natolony tamin'ny miaramila enina ambin'ny folo* hambenany; dia nikasa hamoaka azy ho eo amin'ny vahoaka izy, rehefa afaka ny Paska. [* Gr. miaramila efatra katernia; ny katernia iray dia miaramila efa-dahy] 5 Ary Petera nambenana tao an-tranomaizina; ary ny fiangonana nahery nangataka tamin'Andriamanitra ho azy. 6 Ary nony efa hamoaka azy Heroda, dia natory teo anelanelan'ny miaramila roa lahy Petera tamin'iny alina iny, sady voafatotra tamin'ny gadra roa izy; ary nisy mpiambina niambina ny tranomaizina teo am-baravarana. 7 Ary, indro, nisy anjelin'ny Tompo tonga teo, sady nisy mazava namirapiratra tao an-trano; ary izy nanohina ny tehezan'i Petera, dia namoha azy ka nanao hoe: Mitsangàna faingana. Dia niala tamin'ny tànany ny gadra. 8 Ary hoy ilay anjely taminy: Misikina, ary fehezo ny kapanao. Dia nataony izany. Ary hoy koa izy taminy: Tafio ny lambanao, ka manaraha ahy. 9 Dia nivoaka izy ka nanaraka ary; ary tsy fantany ho marina izay nataon'ny anjely, fa nataony ho nahita fahitana ihany izy. 10 Fa rehefa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy, dia tonga teo amin'ny vavahady vy izay mahazo ny lalana ho any an-tanàna; ary nivoha ho azy io mba halehany; ary nony nivoaka izy, dia nandroso tamin'ny lalana iray; ary niaraka tamin'izay dia nandao azy i]ay anjely.

ASAN’NY APOSTOLY 12.1-10

Maneho ny tàna-maheriny ny Tompo

1-Amin’ny alalan’ny vavaka

Mafy ny fanenjehana nohatra tamin’ny fiangonana tao Jerosalema tamin’ny andron’ny Apostoly . Novonoina i Jakoba rahalahin’i Jaona , natao tao an-tranomaizina i Petera . Nisy miaramila miisa enina ambin’ny folo nomena baiko hiambina an’i Petera mialoha ny hanolorana azy hotsaraina imasom-bahoaka . Voamarina tsara fa mafy ny fiambenana azy satria nofatorana gadra vy ny tongony ,ary teo anelenenlan’ny miaramila roalahy no nandriany ny alina mialohan’ny hitsarana azy . Tsy nampangina azy ny gadra sy ny fampahoriana mbamin’ny fandrahonana. Vao mainka izy nidera an’ Andriamanitra , satria nivavaka ho azy ny fiangonana . Ny vavaka no fanehoana ny tàna-maherin’ny Tompo . « Ny fiasan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra » (Jak 5.16b).

2-Amin’ny alalan’ny fahagagana

Zava-mahagaga sy tsy takatry ny saina no mitranga : nisy anjelin’ny Tompo niseho taminy tamin’io alina io ka nitarika sy namoaka azy tao . Io iraka io no nanohina azy hifoha. Nivaha ny gadra vy , nivoha ho azy ny vavahady , resin-tory ny mpiambina . Fantatr’i Petera fa ny Tompo mihitsy no nanafaka azy . Izao fahafahan’i Petera izao dia sady valimbavaka ho an’ny fiangonana no fanehoana ny fiasan’ny tànana mahery ho fiarovana azy sy ny mpanompony .Mety hitondra fahoriana ny kristiana indraindray , efa namabarn’i Jesao rahateo izany , kanefa amin’ny farany dia tsy maintsy handresy izy .

Fanontaniana:

Efa nahatsapa ve ianao fa ny vavaka dia mahavita fahagagana ka nanova ny toe-javatra miseho .

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM