Maneho ny tana-maheriny ny Tompo

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 09 Janoary 2020

Maneho ny tana-maheriny ny Tompo

JAONA 11.32-41
32 Ary Maria, rehefa tonga teo amin'nitoeran'i Jesosy ka nahita Azy, dia niankohoka teo amin'ny tongony ka nanao taminy hoe: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko. 33 Ary Jesosy nony nahita azy nitomany sy ny Jiosy izay niaraka taminy nitomany koa, dia vonto ny fanahiny, ka tora-kovitra Izy; 34 ary hoy Izy: Aiza moa no nandevenanareo azy? Dia hoy ireo taminy: Tompoko, andeha hizaha. 35 Jesosy nitomany. 36 Dia hoy ny Jiosy: Akory ity haben'ny fitiavany azy! 37 Fa hoy ny sasany: Moa tsy hain'ilehity, Izay nampahiratra ny mason'ilay jamba va, ny manao izay tsy ho nahafaty an-dralehilahy ity? 38 Dia vonto indray ny fanahin'i Jesosy ka nankeo amin'ny fasana Izy; ary zohy izany, sady nisy vato narindrina teo. 39 Hoy Jesosy: Esory ny vato. Hoy Marta, anabavin'ny maty, taminy: Tompoko, maimbo izy izao, fa efa hefarana izay. 40 Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra? 41 Dia nesoriny ny vato. Ary Jesosy dia nanandratra ny masony ka nanao hoe: Ray ô, misaotra Anao Aho, fa efa nihaino Ahy Hianao.

Maneho ny tana-maheriny ny Tompo

JAONA 11.32-41

1-Miombom-po amin’ny fahorian’ny olona i Jesoa

Maty i Lazarosy . Nangoraka i Jesoa raha nahita ny fahoriana nanjo an’i Maria sy Marta anadahiny . Nitomany i Maria . Nalahelo ihany koa ireo mpiara-monina taminy . Raha nahita izany i Jesoa dia vonto ny fanahiny . Nitomany i Jesoa (and35). Eto no ahitantsika fa tena mahatsapa ny fahoriana mihatra amintsika ny Tompo . Miombom-po amintsika Izy . Mampalahelo Azy ny mahita antsika mitanondrika sy very fanantenana manoloana ny fahafatesana . Ankehitriny dia manatrika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Izy , na dia tsy hitantsika mivantana aza.Ny fahatsapana izany no mahafaka ny alahelo sy ny ranomaso ho an’izay rehetra azom-pahoriana , ka mampiorina ny finoany sy ny fanantenany .

2-Manome voninahitra an’ Andriamanitrai Jesoa

Mialohan’ny nananganany an’i Lazarosy tamin’ny maty dia nomen’i Jesoa voninahitra sy nisaorany Andriamanitra .Ny asan’ny zanak’ Andriamanitra dia manambara sy mankalaza an’ Andriamanitra fa tsy manakona na mampanadino Azy . Tsy manao izay hampahalaza ny tenany i Jesoa fa manao izay hinoan’izao tontolo izao fa Andriamanitra no naniraka Azy. Fianarana lehibe ho antsika mpanompon’ Andriamanitra izany , mba tsy hisy olona hanakona ny asan’ny tànan’ Andriamanitra .Tsy ny fitaomana olona hiditra amin’ny antokom-pivavahana na hanompo mpitondra na firehan-kevitra no kendren’n’ny asan’ Andriamanitra , fa ny hanao izay hahatsapan’ny olona rehetra fa Jesoa no Ilay Zanak’ Andriamanitra nirahina ho famonjena izao tontolo izao .

Fanontaniana:

Hatraiza ny fahatakarantsika ny amin’ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ? Hanao ahoana izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM