Maneho ny tana-maheriny ny Tompo
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 06 Janoary 2020
Maneho ny tana-maheriny ny Tompo
ISAIA 43.11-13
11 Izaho dia Izaho ihany no Jehovah Ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho. 12 Izaho efa nilaza sy namonjy ary nanambara, ary tsy nisy hafa tao aminareo; Dia ianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, ary Izaho no Andriamanitra. 13 Eny, hatramin'izary andro izany* Izaho no Izy, Ary tsy misy maharombaka amin'ny tanako; Miasa Aho, ka iza moa no mahasakana izany? [Na: Hatrizay nisian'ny andro]Maneho
ny tana-maheriny ny Tompo
ISAIA
43.11-13
Vavolombelona isika!
1-Hanambara fa Izy ihany no Tompo sy mpamonjy
Nofidin’ Andriamanitra ny firenena Israely mba ho fanehoana ny asan’ Andriamanitra eo aminy , ho vavolombelona hanambara Azy, ka ny famonjena dia tsy valisoa noho ny tsara vitany , fa fanehoan’ Andriamanitra ny tànany mahery sy miasa ho famonjena azy sy izao tontolo izao sy hahalalany ny momba an’i Jehovah Andriamanitra. Ny famaizana an’Israely dia mampiseho ny fahamasinana sy ny fahamarinany . Ny fanavotany azy dia mampiseho fa tsy voavonjin’ny heriny sy ny miaramilany ny olona . Izy irery ihany no Tompo sy Mpamonjy : »Izaho dia Izaho ihany no Jehovah ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho » (and11).
2-Hanambara ny heriny Tsitoha
« Ary tsy misy maharombaka amin’ny
tànako . Miasa Aho ka iza moa no mahasakana izany ? » (and13) .Sarotra
tamin’izany fotoana izany ny hieritreritra fa handresy mora foana ny firenena
Babyloniana izay ao anatin’ny heriny sy ny tanjany tanteraka ny Israely babo.
Firenena Jentilisa , izay tsy mahalala an’ Andriamanitra akory no nataon’ny
Tompo fitaovana teo am-pelatànany hanafahana an’Israely.Toa nofy izay hody avy
amin’ny fahababoana ho any Jerosalema, saingy ao anatin’ny toejavatra sarotra
toy izao indrindra no hanehoan’ Andriamanitra ny heriny .Tsy miankina velively
amin’izay hery eo am-pelatànana ny fanatanterahan’ny Tompo ny famonjeny , fa
asany samirery izany .
Fanontaniana:
Afaka hijoro ho vavolombelon’ny Tompo ao anaty sarotra ve isika ?Manomeza
ohatra ifampizarana.
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM