Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MATIO
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 30 Desambra 2019
Fandalinana ny Filazantsara araka an'i MATIO
Matio 11.1-19
1 Ary rehefa vitan'i Jesosy ny nandidiany ny mpianany roa ambin'ny folo lahy, dia niala teo Izy hampianatra sy hitoriteny any an-tanànan'ny olona. 2 Ary rehefa ren'i Jaona tao an-tranomaizina ny asa nataon'i Kristy, dia naniraka ny mpianany izy 3 hanao aminy hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika? 4 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ka ambarao amin'i Jaona izao renareo sy hitanareo izao: 5 Mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa; diovina ny boka, ary malady ny marenina; atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara. 6 Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko. 7 Ary nony lasa ireny, dia vao nilaza an'i Jaona tamin'ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Hizaha inona no nivoahanareo nankany an-efitra? Volotara nohozongozonin'ny rivotra va? 8 Sa hizaha inona no nivoahanareo? Olona mitafy soa* va? Indro, ny mitafy soa* dia ao an-tranon'ny mpanjaka.[*Gr. malemy] 9 Sa hizaha inona no nivoahanareo? Mpaminany va? Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy. 10 Izy no ilay voasoratra hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao eo alohanao (Mal. 3. 1). 11 Lazaiko aminareo marina tokoa: Amin'izay nateraky ny vehivavy tsy mbola nisy nitsangana izay lehibe noho Jaona Mpanao-batisa; nefa ny kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra dia lehibe noho izy. 12 Ary hatramin'ny andron'i Jaona Mpanao-batisa ka mandraka ankehitriny ny fanjakan'ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny. 13 Fa ny mpaminany rehetra sy ny lalàna dia naminany hatramin'i Jaona. 14 Ary raha mety mandray ianareo, dia izy no ilay Elia izay ho avy. 15 Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino. 16 Fa tahaka ny inona no hanoharako ity taranaka ity? Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay miantso ny namany ka manao hoe: 17 Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo, efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy niteha-tratra ianareo. 18 Fa tonga Jaona tsy nihinana na nisotro, ka hoy ny olona: Manana demonia izy. 19 Tonga ny Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ny olona: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota. Fa ny fahendrena dia hamarinin ny asany*.[*Na: (ny zanany)]Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MATIO
Matio 11.1-19
Eto dia miditra amin’ny fizarana faharoa amin’ity boky Matio ity isika .
1-Ny asan’i Jesoa mandresy lahatra an’i Jaona (1-6)
Ny hafatra nomen’i Jesoa hampitaina amin’i Jaona dia ny asany : toriteny, fampianarana, asa mahagaga.Izy no ilay Mpanjaka nampanantenaina. Mifarana ny asan’i Jaona , fa ny an’i Jesoa indray izao no manomboka .
2-Ny anjara toeran’i Jaona ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra (7-15)
Feo miantso mafy no ilazan’i Jesoa an’i Jaona: feo fanomanana ny fon’ny olona , hiatrika ny fahatongavan’ny Mesia .Tsy sitraka no azony tamin’ny fampitan-kafatra fa sazy sy tranomaizina. Fa tsy moramora ny miditra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra .Rombahina izany!
3-Ny fon’ny mpihaino ny irak’ Andriamanitra(16-19)
Na i Jaona na i Jesoa dia irak’ Andriamanitra nanao asa nifaùmeno : ny voalohany mpampiomana, ny faharoa mpanatanteraka. Samy nanana ny fomba fiasany izay oharina aminn’y ankizy eny an-tseana .Talaky maso ny asany :i Jaona niantso ho amin’ny fibebahana (feo fisaonana), i Jesoa nanome fifaliana (sodina).Tsy nihontsona anefa indrisy ny fo vaton’ny tsy mino.
Tena asehon’i Jesao fa ny nahatongavany dia ny hanafaka ireo eny anjorombala (mpamory hetra, mpanota): io no asa manamarina ny antom-pisiany .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6
f