Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MATIO
Mofonaina anio: Talata, faha 17 Desambra 2019
Fandalinana ny Filazantsara araka an'i MATIO
Matio 5.17-30
17 Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. 18 Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalàna, na dia litera* iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra.[*Dia yod, izay litera kely indrindra amin'ny Abidy Hebreo] 19 Ary amin'izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra. 20 Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo. 21 Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono olona (Eks. 20. 13); ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana. 22 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra* amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo** mirehitra afo. [*Na: tezitra foana] [**Gr. Gehena] 23 Ary amin'izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin'ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, 24 dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin'ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao. 25 Mihavàna faingana amin'ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy ianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin'ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ka hatao ao an-tranomaizina ianao. 26 Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra. 27 Efa, renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga (Eks. 20. 14). 28 Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady. 29 Fa raha ny masonao ankavanana no manafintohina* anao, dia esory hiala iny, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no hariana any amin'ny helo.[*Ny teny Grika adika hoe manafintohina amin'ny Testamenta Vaovao, dia mamandrika no tena dikany] 30 Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao, dia tapaho Izy, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no ho lasa ho any amin'ny helo.Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MATIO
Matio 5.17-30
1-Ny maha- sarobidy ny lalàna : ny teny hoe:lalàna dia manondro làlana . Koa amin’izany heviny izany no ampianarin’i Jesoa azy eto .Teny tsara natao hitari-dàlana ho any amin’ny tanjona mazava ny làlana dia ny fiombonam-piainana eo amin’ Andriamanitra sy ny olona nomena izany .
2-I Jesoa Kristy no vontoatin’ny lalàna : Samy fanomezana ho antsika na ny lalàna manondro ny fenitra tsy maintsy iainana , na i Jesoa amin’ny maha- Mpamonjy ny olona izay nandika azy (mpanota). Ny teny hoe: « tanteraka » dia midika ho feno , tonga amin’ny tanjona. Tsy ho tonga amin’ny fahafenoany ny lalàna raha tsy hitantsika ny kalitaom-piainana omeny dia ny fahazoana antoka ny fiainana feno sy vaovao araka an’i Kristy . Maneho ny toetran’ Andriamanitra ny lalàna : ankilany , marina Izy ka tsy mamela ho afa-maina izay manao zinona ny Teniny , ary etsy andaniny , fitiavana Izy ka manaiky hamela heloka.
3-Maharitra mandrakizay ny lalàna : Ny teny « mandrakizay » dia midika andro vaovao . Ny lalàna dia manana toetra maharitra satria ny lanitra sy ny tany dia ho levona , fa ny teny kosa foanana na dia tendron-tsoratra aza. Ny takiana amin’ny mpianatry ny Tompo, dia ny fankatoavana sy ny fitiavana ary ny finiavana tsy hampisaraka ny fampianarana sy ny fampiharana.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky Faha-6