Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MATIO
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 16 Desambra 2019
Fandalinana ny Filazantsara araka an'i MATIO
Matio 5.1-16
1 Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany. 2 Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy hoe: 3 Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan'ny lanitra. 4 Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina. 5 Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany (Sal. 37. 11). 6 Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana. 7 Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana. 8 Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an'Andriamanitra, 9 Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak'Andriamanitra. 10 Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan'ny lanitra. 11 Sambatra ianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko. 12 Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo. 13 Hianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin'ny olona. 14 Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. 15 Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany. 16 Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MATIO
Matio 5.1-16
Ny fanjakan’ Andriamanitra no vontoatin-dresaka eto amin’ity toriteny tao an-tendrombohitra ity . Manomboka amin’ny hoe: « Sambatra … » izany . Ny teny Grika eto dia tsy firariantsoa na fangataham-pitahiana , fa milaza fahasambrana efa tanteraka na zavatra efa ananana.
1-Ny mahantra am-panahy , izay mpanetry tena sy mpivavaka mitady an’ Andriamanitra 2-Ny ory na misaona : ireo no misitraka ny fampiononana sy ny fampaherezana ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra .3-Ny malemy fanahy : olona matoky ny fanatrehan’ Andriamanitra , tsy manan-kery hanoherana . Ireo anefa no handova ny tany nampanantenaina izay tsy azon’ny matanjaka tahaka ny Romana sy ny Zelota . 4- Ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana : izay mitady sy mikajy ny fifandraisana velona eo amin’ny olona sy Andriamanitra sy eo amin’ny olona samy olona , miaro ny zon’ny hafa . 5-Ny miantra : ireo manaiky ny asan’ny Fanahy masina hahaizany mitsimbina ny hafa. 6-Ny madio am-po : izay manana saina tsy miovaova , masina .7-Ny mpampihavana :mikatsaka izay hampitsaharana ny herisetra sy hirindran’ny fifandraisan’ny olona . 8-Izay enjehina noho ny fahamarinana : izay mikatsaka ny voninahitr’ Andriamanitra . 9-Haratsiana sy enjehina nohon’ ny amin’i Jesoa : maritioran’ny finoana an’i Jesoa Kristy .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6