Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MATIO
Mofonaina anio: Alarobia, faha 11 Desambra 2019
Fandalinana ny Filazantsara araka an'i MATIO
Matio 1.18-26
18 Ary ny nahaterahan'i Jesosy Kristy dia toy izao: Rehefa nanaiky Maria, renin'i Jesosy, ho fofombadin'i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin'ny Fanahy Masina izy. 19 Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina. 20 Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy tamin'ny nofy ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak'i Davida, aza matahotra hampakatra an'i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina, 21 ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy*; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany. [*Jesosy = Jehovah no Mpamonjy] 22 Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany* hoe: [*Gr. profeta dia olona voafidin'Andriamanitra ho mpilaza ny teniny] 23 Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela (Isa. 7. 14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra. 24 Ary Josefa, rehefa nahatsiaro tamin'ny torimasony, dia nanao araka izay nandidian'ny anjelin'ny Tompo ary ka nampakatra ny vadiny. 25 Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Jesosy.Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MATIO
Matio 1.18-26
I Jesoa , vahaolana faratampony no aseho eto :
1-Ny anarany atao hoe: Imanoela
Izany dia anarana nivoaka tao aminn’y vanim-potoanan’ny krizy tany amin’ny taonjato fahavalo raha nanampatra ny fahefany ny mpanjakan’i Asyria . Ao amin’ny fangejan’ny Romana indray izao ka dia miandrandra ny fahatongavana hamaha olana amin-kery mahagaga ny Jiosy . Dia tamin’ny fomba tsotra no nentin’ Andriamanitra niditra teto an-tany : notorontoroina tamin’ny Fanahy Masina , nateraky ny virjina . Tonga Izy ho Andriamanitra amintsika na » Andriamanitra miara-monina an-day eto anivontsika ».
2-Ny toerany : Izy no Filohan’ny Mpiandry
I Jesoa , vahaolana ho an’izay tena mitady Azy marina no hitantsika eto: Izy no anton-dian’ny Magy , tanjon’ny fiainany , fahafahampo feno , fifaliana sy fanompoampivavahana ambony indrindra ka itsaohana sy andohalehana . Ny Fanomezana koa dia maneho ny maha- Andriamanitra feno sy maha- olona iandrandram-pamonjena noho Izy Mpanjaka . Manelingelina ny mafy fo ny momba an’i Jesoa satria fahoriana ho Azy fa vahaolana sy fifaliana ho an’ny mino . Ekena ho Filoha mpitarika hendry avy amin’i Davida Izy . Andriamanitra no miaro sy manatanteraka ny asany .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-6