Fandalinana ny Boky JEREMIA
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 05 Desambra 2019
Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 50.33-46
33 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Niara-nampahorina ny Zanak'Isiraely sy ny taranak'i Joda; Ary izay rehetra namabo azy dia mihazona azy mafy ka tsy mety mandefa azy. 34 Mahery ny Mpanavotra azy, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany; Handahatra ny adiny tokoa Izy, mba hampiadana ny tany sy hampangovitra ny mponina any Babylona kosa. 35 Indro! hisy sabatra hamely ny Kaldeana mbamin'ny mponina any Babylona sy ny mpanapaka azy sy ny olon-kendriny, hoe Jehovah. 36 Indro! hisy sabatra hamely ny mpibedibedy, ka ho very saina izy; Indro! hisy sabatra hamely ny lehilahy maheriny, ka hivadi-po izy. 37 Indro! hisy sabatra hamely ny soavaliny sy ny kalesiny mbamin'ny olona samy hafa firenena rehetra ao aminy, ka ho tonga toy ny vehivavy ireny! Indro! Hisy sabatra hamely ny firaketany, ka horobaina izany. 38 Ny fihantonan'ny andro no mahatankina ny ranony; Fa tany be sarin-javatra voasokitra izy, ary ny sampiny mahatahotra mahadala azy. 39 Koa ny bibi-dia any an-efitra sy ny kary* sy ny ostritsa no honina ao; Tsy honenana intsony mandrakizay izy ary tsy hitoerana hatramin'ny taranaka fara-mandimby.[Heb. jakala] 40 Toy ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna eny akaikiny, hoy Jehovah, no tsy hisian'olona honina any na zanak'olombelona hivahiny any. 41 Indro, misy firenena avy any avaratra, dia firenena lehibe sy mpanjaka maro no mitsangana avy any amin'ny faran'ny tany. 42 Tsipika sy lefona no entiny; Lozabe sy tsy mamindra fo izy, ny feony dia mirohondrohona toy ny ranomasina, sady mitaingin-tsoavaly izy ary voaomana tahaka ny lehilahy ho amin'ny ady, hamely anao, ry Babylona zanakavavy. 43 Efa ren'ny mpanjakan'i Babylona ny lazany, ka miraviravy tànany izy; Fahoriana no mahazo azy, eny, fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka. 44 Indro, toy ny fiakatry ny liona avy ao amin'ny kirihitrala eny amoron*'i Jordana no hiakarany ho any amin'ny misy ahitra mateza**; Nefa hampandosiriko tampoka hiala ao aminy izy, ary izay olona anankiray voafidy no hotendreko hanapaka azy; Fa iza no tahaka Ahy, ary iza no hifandahatra amiko? Ary iza moa no mpiandry ondry mahajanona eo anatrehako?[*Heb. ny reharehany][**Na: fonenany mafy] 45 Koa henoy ny saina avy amin'i Jehovah, izay nosaininy hamelezana an'i Babylona, sy ny heviny izay noheveriny hamelezana ny tanin'ny Kaldeana: Hoviraviraina tokoa ireny, dia ny kely indrindra amin'ny ondry; Ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy. 46 Noho ny antsoantso hoe: "Efa afaka Babylona", dia mihorohoro ny tany, ary ny fitarainana dia re any amin'ny firenena.Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 50.33-46
Hotohizantsika ny fanazavana
3-Ny famelana ny helok’Israely (and17-20)
Nahonena ny nanjo ny Isarely (and17). Rehefa nobaboin’ny Asyria ny foko 10 tany avaratra dia mbola noravan’i Nebokadnezara ihany koa ny foko 2 sisa tavela tany atsimo. Ireo fanjakana 2 ireo no indray novalian’ny Tompo , nefa famaliana mampody ny Zanak’Israely any aminy (and19). Tonga ny fotoana namelany ny heloky ny olony ka hihavanany amin’Israely, olony indray (and20).
4-Ny faharavan’ i Babylona (and21-32/35-46)
I Kyrosy no nalefan’ny Tompo hamaly an’i Babylona . Navoakany amin’izay ny tahirim-pahatezerany (and25) noho ny nandravana ny tempoly (and28). Nanampy trotraka izany ny fanompoany sampy(and38). Jereo anie : iza avy no asian’ny sabatra tanisaina eto?(and35-37)
5-Ny fanavotana an’ Israely
Mahery , tsy manam-paharoa , ilay mpanavotra ny Israely (and 34) ary Izy hampiadana azy .Izao no vaovao mahafaly : tahaka ny nandravana an’i Babylona ka nanafahana ny Zanak’ Israely no nitondrana ny mino avy tamin’ny fanjakan’ny maizina ho amin’ny famonjena manetriketrika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompo (Lio 4.18,19) . Mitohy hatrany amin’ny bokin’ny Apokalypsy izany fandravana an’i Babylona izany .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6