Fandalinana ny Boky JEREMIA
Mofonaina anio: Talata, faha 03 Desambra 2019
Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 49.23-39
23 [Faminaniana ny amin'i Damaskosy] Ny amin'i Damaskosy. Very hevitra Hamata sy Arpada, fa nandre filazan-doza izy ka kivy; Misamboaravoara ny ranomasina ka tsy mety tafatoetra*.[Na: Misy fanahiana hatrany an-dranomasina aza; tsy mahita fiononana ny olona] 24 Efa ketraka Damaskosy ka mihodina handositra, fa, toran-kovitra izy; Ary azon'ny faharariana sy ny fanaintainana, toy ny vehivavy raha miteraka. 25 Nahoana re no tsy nilaozana ny tanàna malaza*, tanana fifaliako![Na: Indrisy! efa lao ny tanàna malaza] 26 Ka dia hiampatrampatra eny an-kalalahana ny zatovony. Ary ny miaramila rehetra ho ringana avokoa amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. 27 Ary hisy afo hampirehetiko ao anatin'ny mandan'i Damaskosy, handevona ny lapan'i Beni-hadada. 28 [Faminaniana ny amin'i Kedara sy Hazora] Ny amin'i Kedara sy ny fanjakan'i Hazora, izay resin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona. Izao no lazain'i Jehovah: Mitsangàna ianareo, ka miakara hamely an'i Kedara, ary aringano ny zanaky ny atsinanana. 29 Halainy ny lainy sy ny ondry aman'osiny, ho entin'ny ambain-dainy mbamin'ny fanaka rehetra sy ny ramevany, sady hiantsoantso hilaza aminy hoe izy: Misy fampangorohoroana manodidina! 30 Mandosira, ka mandehana lavitra! Mamitsaha ao amin'ny lalina, ry mponina any Hazora! hoy Jehovah; Fa Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, nanao saina hamelezany anareo sy namoron-kevitra hamelezany anareo*.[Heb. azy] 31 Mitsangàna, iakaro ny firenena miadana izay tsy manana ahiahy, hoy Jehovah. Dia izay tsy misy vavahady mirindrina na mihidy sady mitoka- monina. 32 Ho babo ny ramevany, ary horobaina ny omby aman'ondriny betsaka, haeliko ho any amin'ny rivotra rehetra ireo voahety sisim-bolo; Ary ho entiko avy amin'ny manodidina rehetra ny loza hanjo azy, hoy Jehovah, 33 Ary Hazora dia ho fonenan'ny amboadia* sy ho tany lao mandrakizay; Tsy hisy olona honina any, Na zanak'olombelona hivahiny any.[Na: jakala] 34 [Faminaniana ny amin'i Elama] Ny tenin'i Jehovah izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'i Elama tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, hoe: 35 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hotapatapahiko ny tsipìkan'i Elama, Izay fototry ny heriny. 36 Ary hitondra Avotra efatra avy amin'ny lafiny efatry ny lanitra Aho hamelezana an'i Elama, ary haeliko ho amin'izany rivotra rehetra izany izy, ka tsy hisy firenena izay tsy halehan'ny voaroaka avy any Elama. 37 Fa hampivadi-po an'i Elama eo anoloan'ny fahavalony sy eo anoloan'izay mitady ny ainy Aho ka hahatonga loza aminy, dia ny firehetan'ny fahatezerako, hoy Jehovah; Ary hampanenjehiko azy ny sabatra Mandra-pandaniko azy; 38 Dia hapetrako ao Elasma ny seza fiandrianako. Ary hofongorako tsy hisy intsony any na ny mpanjaka na ny mpanapaka, hoy Jehovah. 39 Nefa any am-parany dia mbola hampodiko avy amin'ny fahababoany ihany Elama, hoy Jehovah.Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 49.23-39
1-Tonga koa ny anjaran’i Damaskosy
Avy aiza no iavian’ny loza hamely an’i Damaskosy ? Avy amin’ny Tompo (and26). Tamin’ny alalan’ny mpanjakan’i Babylona no hanatanterahany izany . Mbola ny Tompo ihany koa no tondroin’i Isaia ka nampivarahontsana an’i Damaskosy, ilay tanàn-dehibe faran’izay tsara sy mahafinaritra any Syria (Isaia 17.1). Voatonona miaraka hatrany amin’i Hamata , tanàna fandefasana olona ho sesitany ny tanànan’i Arpada , samy any Syria.
2- Ny anjaran’i Kedara sy Hazora ary Elama
Zanaka lahin’i Ismaela ity voaresaka voalohany ity , fanjakana nanankarena tany avaratry ny tanin’Israely kosa i Hazora. Ary i Elama dia taranak’i Sema (Gen 10.22) . Mbola i Nebokadnezara ihany (and28) no nampiasain’ Andriamanitra hampitondra faisana azy . Manankarena izy ireo , miadana (and31), firenena tsy miankin-doha na amin’iza na amin’iza satria mahavita tena . Marina sy hendry anefa ny Tompo nampandringana azy ary tsy azo ivalozana ny fitsarany fa mandrakizay (and33).
Tsy marina ve ny ambaran’ny Tompo hoe: « Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona ,fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena » (Jak 4.6).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6