Fandalinana ny Boky JEREMIA
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 02 Desambra 2019
Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 49.1-22
1 [Faminaniana ny amin'i Amona] Ny amin'ny taranak'i Amona, Izao no lazain'i Jehovah: Moa tsy manan-janakalahy va Isiraely? Ary tsy manan-kandova va izy? Koa nahoana Gada no lasan'ny mpanjakany*, ary ny vahoakany monina ao amin'ny tanànany?[Na: Malkana] 2 Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hampandrenesako akoran'ady amin'ny famelezana an'i Raban'ny taranak'i Amona, ary ho tanànaolo rava izy, ary ny zana-bohiny hodorana amin'ny afo; Ary ny Isiraely hahalasa ny an'izay nahalaza azy, hoy Jehovah. 3 Midradradradrà, ry Hesbona, fa rava Ay! Mitaraina, ianareo zanakavavin'i Raba! Misikina lamba fisaonana ianareo; Manaova fisaonana, ary mivoivoiza eo anaty fefy; Fa lasan-ko babo ny mpanjakany, dia ny mpisorony sy ireo mpanapaka azy. 4 Nahoana no ny lohasaha no ataonao ho reharehanao, dia ny lohasahanao mahavokatra be. Ry zanakavavy mpiodina, izay mitoky amin'ny rakiny ka manao hoe: Iza moa no ho afa-miakatra at? amiko? 5 Indro Aho hahatonga tahotra aminao avy amin'izay rehetra manodidina anao, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; Ary horoahina samy hizotra amin'izay hitsiny avy ianareo rehetra, sady tsy hisy hamory izay mandositra. 6 Ary rehefa afaka izany, dia hampodiko ihany avy amin'ny fahababoana ny taranak'i Amona, hoy Jehovah. 7 [Faminaniana ny amin'i Edoma] Ny amin'i Edoma. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Tsy misy fahendrena intsony va ao Temana? Very saina va ny olon-kendry? Lany va ny fahendreny? 8 Mandosira, miambohoa ianareo, mamitsaha ao amin'ny lalina, ry mponina any Dedana, fa ny loza ho an'i Esao dia nataoko nihatra taminy, dia ny andro hamaliako azy. 9 Raha tonga ao aminao ny mpioty voaloboka, dia tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina akory izy; Raha avy alina ny mpangalatra, dia handrava mandra-pahafa-pony izy. 10 Izaho dia nampitanjaka an'i Esao, ary naharihariko ny fiereny, ka tsy mahazo miery izy; Ringana ny zanany sy ny rahalahiny ary ny namany, ka tsy ao intsony ireny. 11 Ilaozy ny zanakao ho kamboty, fa Izaho no hamelona azy, ary aoka Izaho no hitokian'ny vadinao mpitondratena. 12 Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, fa na dia izay tsy tokony hisotro amin'ny kapoaka aza dia hisotro tokoa, ka moa ho afa-potsiny va ianao? Tsy ho afa-potsiny ianao, fa tsy maintsy hisotro tokoa. 13 Fa ny tenako no nianianako, hoy Jehovah, fa ho tonga figagana Bozra sy ho fandatsa sy ho rava ary ho fanozonana, ary ny tanànany rehetra ho lao mandrakizay. 14 Fa efa nahare filazana avy tamin'i Jehovah aho, ary nisy iraka nalefa ho any amin'ny jentilisa hanao hoe: Mivoria ianareo, ka mankanesa hamely azy, ary mitsangàna hanafika. 15 Fa, indro, hataoko tsinontsinona eo amin'ny firenena ianao sy fanazimbazimba eo amin'ny olona, 16 Ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, Izay mifikitra amin'ny tampon'ny havoana, ny fahatahorana anao sy ny avonavon'ny fonao no namitaka anao; Fa na dia ataonao eny amin'ny avo tahaka ny an'ny voromahery aza ny akaninao, dia havariko avy eny ianao, hoy Jehovah. 17 Ary ho figagana Edoma: Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga ka hisitrisitra noho ny loza rehetra efa namelezana azy. 18 Ary toy ny nandravana an'i Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna teny akaikiny, hoy Jehovah, no tsy hisian'olona honina any, na zanak'olombelona hivahiny any. 19 Indro, toy ny fiakatry ny liona avy any amin'ny kirihitrala eny amoron*'i Jordana no hiakarany ho any amin'ny misy ahitra mateza*; Fa hampandosiriko tampoka Edoma hiala ao, ary izay olona iray voafidy no hotendreko hanapaka azy. Fa iza no tahaka Ahy, ary iza no hifandahatra amiko, ary iza moa no mpiandry ondry mahajanona eo anatrehako?[Heb. ny reharehany][Na: fonenany mafy] 20 Koa henoy ny saina avy amin'i Jehovah, Izay nosaininy hamelezana an'i Edoma, sy ny heviny izay noheveriny hamelezana ny mponina ao Temana: Hoviraviraina tokoa ireny, dia ny kely indrindra amin'ny ondry; Ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy. 21 Tamin'ny fiezinezin'ny fianjerany dia nihorohoro ny tany; Ny feon'ny fitarainany dia re hatrany amin'ny Ranomasina Mena. 22 Indro, hanidina hiakatra toy ny voromahery izy ka hamelatra ny elany eny ambonin'i Bozra; Ary amin'izany andro izany ny fon'ny lehilahy maherin'i Edoma dia ho tahaka ny fon'ny vehivavy mihetsi- jaza.Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 49.1-22
Mitohy hatrany ilay faminaniana ho an’ny firenena
1-Anjaran’ny Amonita indray izao
Zanak’olo-mpirahavavy i Amona sy i Moaba . I Lota , ilay taizan’i Abrahama (Gen 19.30-38) no rainy . Inona no fahotany ?Nandroba an’Israely sy mpikomy ary miavonavona koa izy (and2,5). Vokany : ho ravan’ny ady sy ho may ary ho zary tanàna haolo izy ary ireo mpitarika azy ho lasa babo avokoa (and 2,3). Saingy nitahiry famindrampo ho azy ny Tompo toy ny nataony tamin’ny taranak’i Moaba (and6) (Jer 47.7).
Toka-teny ny Tompo satria « hitahy izay manisy soa anao Aho , fa hanozona izay manozona ano » , hoy izy tamin’i Abrahama (Gen 12.2-4). Nohazoniny tokoa ny teniny .
2-Dia anjaran’i Edomita koa
Taranak’i Esao ny Edomita (Gen 25.29-34) . Lasa adala sy tsy nahita izay hierena izy ireo satria tonga ny famalian’ny Tompo azy (and8) . Nivahontsana , safotry ny horohoro , nalemy toy ny vehivavy mihetsi-jaza i Edoma noho ny herin’ny Tompo (and19,22) . Mbola avonavona ihany koa no namaizan’ny Tompo azy (and16).
Nanary tena ka nanamafy ny fony efa naratran’ny fanilikiliana (Gen 28.6-9). Na izany aza , mbola manitsy ny fomba fahitan’ny taranany ny Tompo fa Izy ihany no tena mpiahy sy azo itokia (and11).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6