Fandalinana ny Boky JEREMIA
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 30 Novambra 2019
Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 46.18-47.7
18 Raha velona koa Aho, hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany: Tahaka an'i Tabara amin'ny tendrombohitra, sy tahaka an'i Karmela ao amoron-dranomasina, dia ho tahaka izany no hihaviany. 19 Ry Egypta zanakavavy mponina, Mifeheza entana ho entinao any amin'ny fahababoana; Fa ho tonga tany lao Memfisa, eny, hodorana izy, ka tsy hisy mponina. 20 Egypta dia tahaka ny ombivavy kely tsara tarehy dia tsara tarehy; Fa injay! tamy, eny, tamy ny fihitra avy any avaratra! 21 Na dia ny olona karamaina ao aminy aza, izay tahaka ny ombilahy kely mifahy, ireny koa dia mihodina ka samy mandositra avokoa; Tsy mahajanona izy, fa efa tonga aminy ny andro hahitany loza, dia ny andro hamaliana azy. 22 Ny feony dia toy ny fikasaotsaoky ny menarana mandeha; Fa mandeha hitondra miaramila izy ka avy hamely azy amin'ny famaky toy ny mpikapa hazo. 23 Kapainy ny alany, hoy Jehovah, satria efa nikirindro loatra; Fa maro noho ny valala izy ka tsy tambo isaina. 24 Ho afa-baraka Egypta zanakavavy, Hatolotra eo an-tànan'ny olona any avaratra izy. 25 Ary hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely; Indro, hovaliako Amona avy any Nô Ary Farao sy Egypta mbamin'ny andriamaniny sy ny mpanjakany, dia Farao sy izay rehetra matoky azy; 26 Ary hatolotro eo an-tànan'izay mitady ny ainy izy, dia eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy eo an-tànan'ny mpanompony; Ary aorian'izany, dia handry fahizay* toy ny tamin'ny andro fahiny ihany izy, hoy Jehovah.[Na: honenana indray] 27 Fa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, ary aza mivadi-po, ry Isiraely; Fa, indro, hovonjeko avy any amin'ny lavitra ianao, ary ny taranakao avy any amin'ny tany nahababo azy; Dia hiverina Jakoba ka hiadana, eny, handry fahizay izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy. 28 Aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah, fa momba anao Aho; Fa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nandroahako anao, ianao tsy mba holevoniko, nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny.Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 46.18-47.7
1-Hanafaka ny Israely voababo ny Tompo
Tsy afa- mandositra ny fitsaran’ny Tompo i Egypta. Inona anefa no antony nanaovany izany ? Na lasa babo noho ny tsy fanarahany ny Tenin’ Andriamanitra aza ny Israely dia mbola namindrany fo ihany . Taorian’ny fahalavoan’i Jerosalema (Jer 34-45), dia manomboka mamaly ireo namabo ny Israely ny Tompo ; ary dia manomboka miseho lany ny fanantenana hanarenan’ny Tompo azy (and27,28).
2-Mitohy miteny amin’ny firenena Filistina Izy
Mampivarahontsana ny teny nampitondraina an’i Jeremia ho an’ny firenena Filistina. Tsy hay tohaina ny fitsaran’Andriamanitra TOMPO (and4). Fa tsy efa voasoratra ve ny hoe: »Ho to ny fikasako , ary efaiko ny sitrapoko rehetra » (Isa 46.10). Amin’ny fomba mihaingohaingo no nanambaran’i Jeremia ny ady ataon’ny Tompo amin’ny Filistina. Iraka tsy maintsy efaina hatramin’ny farany ny fandevonana ny fahavalon’Israely. Tsy misy na inona na inona azony atao hanoherana izany. Ny fahafatesana no manao sambobelona ny zanak’ Andriamanitra ary izy no fahavalo farany horesena (1 Kor 15.26) . Efa resin’i Jesoa Kristy tamin’ny nitsanganany avy tamin’ny maty anefa izany .
« Raiso ny Tenin’Andriamanitra » Boky faha-6