Fandalinana ny Boky JEREMIA

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 28 Novambra 2019

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 44.24-30/45.1-5
24 Ary hoy koa Jeremia tamin'ny olona rehetra sy tamin'ny vehivavy rehetra: Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ry Joda rehetra, izay at? amin'ny tany Egypta: 25 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Hianareo sy ny vadinareo samy niteny tamin'ny vavanareo sady nanatanteraka tamin'ny tananareo ka nanao hoe: Hanefa tokoa izay efa nivoadianay izahay ka handoro ditin-kazo manitra ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra sy hanidina fanatitra aidina ho azy; eny, hefainareo tokoa ny voadinareo sady hataonareo tanteraka. 26 Koa henoinareo ny tenin'i Jehovah, ry Joda rehetra, izay monina at? amin'ny tany Egypta: Indro Aho efa nianiana tamin'ny anarako lehibe, hoy Jehovah, fa tsy hotononin'ny vavan'ny lehilahy amin'ny Joda eran'ny tany Egypta intsony ny anarako hanao hoe: Raha velona koa Jehovah Tompo. 27 Indro, miambina anareo Aho hahatonga loza, fa tsy soa; ary ny lehilahy rehetra amin'ny Joda, izay at? amin'ny tany Egypta, dia ho ringan'ny sabatra sy ny mosary mandra-pahalany ritrany. 28 Ary izay afa-mandositra ny sabatra dia ho tafaverina avy at? amin'ny tany Egypta ho any amin'ny tanin'ny Joda, ho vitsy foana anefa ireny; ary ny sisa amin'ny Joda rehetra izay mankany amin'ny tany Egypta hivahiny any dia hahafantatra izay ho tò teny, na ho Izaho, na ho izy. 29 Ary izao no famantarana ho anareo, hoy Jehovah, fa hovaliako eto amin'ity tany ity ianareo, mba hahafantaranareo fa tò tokoa ny teniko hahatonga loza aminareo: 30 Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Farao-hofra, mpanjakan'i Egypta, hatolotro eo an-tànan'ny fahavalony sy eo an-tànan'izay miady ny ainy, toy ny efa nanolorako an'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, ho eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, izay fahavalony nitady ny ainy.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 44.24-30/45.1-5

Teny hentitra tsy misy vazivazy ireto:

1-Indro …hahatonga loza fa tsy soa (44.27)

Miantefa amin’ireo mafy sofina sy tia mifamaly amin’ Andriamanitra izany. Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy , fa fandringanana no anjarany . Ho an’ny mankato kosa dia hoy i Jehovah : »Izaho, mahalala ny hevitra iheverako anareo, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza » (Jer 29.11).

2-Izay ho to teny na ho Izaho na ho izy(44.28)

Mampalahelo ity fahasaham-poana ananan’ireto mponina ireto izay sahy mifaninana amin’ Andriamanitra . Tsy fantany ve fa rehefa miteny Andriamanitra dia tsy maintsy tanteraka izany , na soa ambarany na ratsy? Diniho ny Isa 55.11.

3-Hataoko velona aina ianao (45.5 DIEM):

Teny natao ho an’i Baroka , mpitantsoratr’i Jeremia izany . Nalahelo izy satria dia filazana loza hatrany no asaina soratany . Nanome toky azy kosa i Jehovah fa hamelona azy , na aiza mbola hanaovany ny asa fanompoana . Toky ho antsika ihany , fa hoy i Jesoa : »Fiadanana no avelako ho anareo …Aza malahelo na matahotra ny fonareo » (Jao 14.27).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6