Fandalinana ny Boky JEREMIA

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 21 Novambra 2019

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 40.1-10
1 [Ny nanafahana an'i Jeremia, sy ny niverenan'ny olona maro hipetraka ao amin'ny tany hotapahin'i Gedalia, ary ny namonoana an'i Gedalia] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah, taorian'ny nandefasan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, azy niala tany Rama, tamin'ilay nampanalany azy fony izy mbola nigadra tao amin'ny babo rehetra avy tany Jerosalema sy Joda, izay nentina ho babo tany Babylona. 2 An'ny lehiben'ny mpiambina dia naka an'i Jeremia ka nanao taminy hoe: Jehovah Andriamanitrao nanambara izao loza izao, izay nanjo ity tanàna ity. 3 Ary Jehovah nahatonga izany ka nanao araka izay nolazainy, noho ny nanotanareo tamin'i Jehovah sy ny tsy nihainoanareo ny feony, dia izany no nahatonga izao zavatra izao taminareo. 4 Ary, indro, ankehitriny vahako izao ny gadra amin'ny tananao. Koa raha sitraky ny fonao kosa ny hiaraka amiko hankany Babylona, dia andeha, fa hotandremako tsara ianao; nefa raha tsy sitraky ny fonao ny hiaraka amiko ho any Babylona, dia mijanòna ihany; indro, ny tany rehetra dia eo anoloanao, koa izay tany tianao sy sitrakao no andehano. 5 Ary raha tsy mbola nety nandeha izy, dia hoy Nebozaradana: Miverena indray any amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, izay voatendrin'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanapaka ny tanànan'ny Joda ka tomoera aminy ao amin'ny olona, na mandehana any amin'izay tianao haleha na aiza na aiza. Dia nomen'ny lehiben'ny mpiambina vatsy sy fanomezana izy ka nalefany handeha. 6 Ary Jeremia nankany amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama, tany Mizpa ka niara-nonina taminy tao amin'ny vahoaka izay sisa velona tamin'ny tany. 7 Ary raha ren'ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tany an-tsaha sy ny olom-peheziny fa ny mpanjakan'i Babylona efa nanendry an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, ho mpanapaka ny tany sy ho mpitandrina ny lehilahy mbamin'ny zaza amim-behivavy ary ny malahelo sasany teo amin'ny tany izay tsy mbola lasan-ko babo tany Babylona, 8 dia tonga tany amin'i Gedalia tany Mizpa izy, dia Isimaela, zanak'i Netania, sy Johanana sy Jonatana, zanak'i Karea, sy Seraia, zanak'i Tanometa, sy ny zanak'i Efay Netofatita ary Jazania, zanak'ilay Makatita, dia izy ireny sy ny olom-peheziny avy. 9 Ary Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, dia nianiana taminy sy tamin'ny olona-peheziny nanao hoe: Aza matahotra hanompo ny Kaldeana; monena amin'ny tany, ka manompoa ny mpanjakan'i Babylona, dia hahita soa ianareo. 10 Ary ny amiko, dia, indro, honina any Mizpa aho hanompo ny Kaldeana izay ho avy et? amintsika; fa ianareo dia manangona divay sy voankazo masaka fahavaratra ary diloilo, ka ataovy ao amin'ny fitehirizanareo, dia monena amin'izay tanàna nidiranareo.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 40.1-10

Toy ny voafatotra i Joda fa tsy toy izany kosa i Jeremia.

1-Nafahana tamin’ny fatorany i Jeremia .

Nitodika manokana tamin’i Jeremia ny lehiben’ny miaramila Babyloniana. Fantany tsara fa i Jeremia no nanao faminaniana momba ny hitondrana ny Joda ho babo noho ny fahotany . Koa nomena safidy manokana izy handeha amin’izay làlana tiany , na hiaraka amin’ny babo any Babylona na hijanona eo an-tanindrazany . Tsarovy fa ny fahatongavan’ Andriamanitra dia fahapotehana ho an’izay tsy mino Azy , fa tena famonjena ho an’ny olony kosa.

2-Indro eo anoloan’i Jeremia ny tany rehetra.

Ny mpitari-tafika Babyloniana mihitsy no miteny izany , izay milaza fa manan-tsafidy amin’izay tiany haleha i Jeremia . Ahatsiarovana ny tenin’i Abrahama tamin’i Lota izany teny izany rehefa tsy maintsy hisara-dàlana izy ireo (Gen 13.9). Nisafidy ny hitoetra any Mizpa , tanàna kely 13 Km miala an’i Jerosalema izy , izay nisy an’i Gedalia mpitondra vaovao sy ny vahoaka sisa tsy nobaboina . Olona afaka ihany koa isika , saingy aoka ny fahafahantsika mba tsy ho entintsika hanaranampo amin’ny nofo , fa hanompoantsika an’ Andriamanitra(Gal 5.13).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6