Fandalinana ny Boky JEREMIA

Mofonaina anio: Alarobia, faha 20 Novambra 2019

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 39.1-18
1 [Ny nanafahana an'i Jerosalema, sy ny nanjo an'i Zedekia, ary ny nanesorana an'i Jeremia tao an-davaka, sy ny teny nasain'Andriamanitra nolazainy tamin'i Ebeda-meleka] Ary rehefa afaka Jerosalema (tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, no nahatongavan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany rehetra hamely an'i Jerosalema ka nanao fahirano azy; 2 ary nony tamin'ny andro fahasivy tamin'ny volana fahefatra tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Zedekia, dia nisy voabanga ny tanàna), 3 dia niditra ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona rehetra ka nipetraka teo amin'ny vavahady ampovoany, dia Nergala-sarezera sy Samgarnebo sy Sarsekima. Raba-sarisa, sy Nergala-sarezera Raba-magy, mbamin'ny sisa rehetra amin'ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona. 4 Ary rehefa nahita ireo Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny miaramila rehetra, dia nandositra izy ka lasa nandeha alina niala tao an-tanàna, nahazo ny lalana mankamin'ny sahan'ny mpanjaka, tamin'ny vavahady eo anelanelan'ny manda roa; ary lasa nivoaka nankany amin'ny lalana mankeny amin'ny tani-hay izy. 5 Fa ny miaramilan'ny Kaldeana nanenjika azy ka nahatratra an'i Zedekia teny amin'ny tani-hay any Jeriko; ary nony azony izy, dia nentiny niakatra ho any amin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tao Ribla tao amin'ny tany Hamata; ka dia notsarainy tao izy. 6 Ary ny zanakalahin'i Zedekia dia novonoin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla teo imason-drainy; ary ny manan-kaja rehetra tamin'ny Joda koa dia novonoin'ny mpanjakan'i Babylona. 7 Ary nopotsiriny ny mason'i Zedekia, dia nafatony tamin'ny gadra varahina izy ho entiny any Babylona. 8 Ary nodoran'ny Kaldeana tamin'ny afo ny tranon'ny mpanjaka sy ny tranon'ny vahoaka, ary ny mandan'i Jerosalema noravany. 9 Ary ny olona sisa tao an-tanàna sy izay efa nanatona azy ary ny vahoaka sisa koa dia nentin'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ho babo tany Babylona. 10 Nefa ny olona malahelo izay tsy nanana na inona na inona kosa dia nisy ihany navelan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, tao amin'ny tanin'ny Joda sady nomeny tanim-boaloboka sy tanimboly tamin'izany andro izany. 11 Ary Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, nanome teny an'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ny amin'i Jeremia nanao hoe: 12 Ento izy, ka tandremo tsara, fa aza asian-dratsy fa araka izay lazainy aminao no ataovy aminy. 13 Ary Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, sy Nebosazbana, Raba-sarisa, sy Nergala-sarezera, Raba-magy, ary ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona rehetra 14 dia naniraka haka an'i Jeremia teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana, ka natolony an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, mba ho entiny any an-trano izy, ka dia nitoetra tao amin'ny olona. 15 Ary tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah, fony izy mbola voahazona tao amin'ny kianjan'ny trano fiambenana ihany, nanao hoe: 16 Mandehana, ka lazao amin'i Ebeda-meleka Etiopiana hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hotoviko amin'ity tanàna ity ny teniko hahatonga loza, fa tsy soa; ary ho tanteraka eo imasonao izany amin'izany andro izany. 17 Nefa hovonjeko ianao amin'izany andro izany, hoy Jehovah, fa tsy mba hatolotra eo an-tànan'ny olona izay atahoranao. 18 Fa hovonjeko tokoa ianao ka tsy holavon-tsabatra; eny, ny ainao no ho babonao, satria efa natoky Ahy, hoy Jehovah.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 39.1-18

Tapitra ny indrafon’ Andriamanitra tamin’i Joda.

1-Voasambotra ny mpanjaka Zedekia

Natao fahirano ny tanàna ary niafara tamin’ny fitsofohan’ny fahavalo tao izany . Nilefa ny mpanjaka nefa voasambotra ihany . Nopotsirin’ny mpanjakan’i Babylona ny masony ary novonoina ny zanany sy ireo manan-kaja teo amin’ny Jiosy . Ianao , tandremo fa ho avy tahaka ny mpangalatra koa ny andron’ny Tompo , ary hamaly ny ratsy fanahy sy ny tsy mino Azy Izy.

2-Nodorana ny tanàna :

Faminanian’i Jeremia izany ary nanenjehana azy . Rava ilay fanantenana hoe: Jerosalema tsy horavana satria misy ny tempolin’i Jehovah! (7.4). Tandremo fa tempolin’ny Fanahy masina ianao , ka rehefa manimba ny tempoliny ianao dia mba hosimbany koa (1 Kor 3.17).

3-Nentina ho babo ny vahoaka :

Ny fanekena nifanaovan’i Jehovah sy Israely dia ny hitoerany ao amin’ilay tany tondra-dronono sy tantely , nefa mila mitandrina ny lalàna ireo . Miala ao kosa izy rehefa tsy mitandrina izany. Tanteraka izany eto fa ho babo any Babylona izy ireo . Ianao kosa , katsaho izay hahafahanao miaina ao amin’ilay Jereosalema vaovao . Fadio izay mety ho sakana (Apo 20.8).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6