Fandalinana ny Boky JEREMIA
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 11 Novambra 2019
Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 33.1-18
1 [Teny anankiray koa ny amin'ny mbola hampodiana sy ny Isiraely sy ny voninahitra mbola ho azony] Ary tonga fanindroany tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah, raha mbola voahazona teo an-kianjan'ny trano fiambenana ihany izy, nanao hoe: 2 Izao no lazain'i Jehovah, Mpanao izany, dia Jehovah Izay namorona izany mba hampitoetra azy; Jehovah no anarany; 3 Antsoy Aho, dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao. 4 Fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely; Ny amin'ny trano amin'ity tanàna ity sy ny amin'ny lapan'ny mpanjakan'ny Joda, izay noravana noho ny tovon-tany sy ny sabatra, 5 Raha mandroso hiady amin'ny Kaldeana izy ka mameno ny trano amin'ny fatin'olona, izay novonoiko tamin'ny fahatezerako sy ny fahavinirako, sady nanafenako ny tavako tamin'ity tanàna ity noho ny faharatsiany rehetra: 6 Dia, indro, hotanterahiko tokoa ny fanasitranana azy, eny, hositraniko izy, ary hasehoko aminy ny haren'ny fiadanana sy ny fahamarinana. 7 Ary ny Joda sy ny Isiraely dia hampodiko avy amin'ny fahababoany, ka haoriko ho toy ny taloha izy. 8 Ary hodioviko ho afaka amin'ny helony rehetra izy, izay nanotany tamiko; Ka havelako ny helony rehetra, izay nanotany sy niodinany tamiko. 9 Ary ho anarana mahafaly Ahy izany sady ho dera sy voninahitra ho an'ny firenena rehetra ambonin'ny tany, izay handre ny soa rehetra ataoko aminy; Dia hatahotra sy hangovitra izy noho ny soa rehetra sy noho ny fiadanana rehetra izay hataoko aminy. 10 Izao no lazain'i Jehovah: Mbola ho re indray eto amin'ity tany ity, izay ataonareo hoe Rava, ka tsy misy olona na biby fiompy intsony dia eto amin'ny tanànan'ny Joda sy ao amin'ny lalamben'i Jerosalema izay efa lao, ka tsy misy olona na mponina na biby fiompy 11 Ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina ary ny feon'izay manao hoe: Miderà an'i Jehovah, Tompon'ny maro, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony, dia izay mitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon'i Jehovah; Fa hataoko tonga tahaka ny tany aloha ny fahatsarany*, hoy Jehovah.[Heb. hampodiko avy amin'ny fahababoana] 12 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Eto amin'ity tany efa lao tsy misy olona na biby fiompy ity sy amin'ny tanànany rehetra dia mbola hisy fonenan'ny mpiandry ondry hampandriany ny ondry aman'osiny, 13 Dia amin'ny tanàna any amin'ny tany havoana sy amin'ny tanàna any amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka, ary amin'ny tanana any amin'ny tany atsimo sy amin'ny tanin'ny Benjamina sy amin'ny manodidina an'i Jerosalema ary amin'ny tanànan'ny Joda, ary ny ondry aman'osy mbola handroso araka ny fitondran'ny mpanisa azy, hoy Jehovah. 14 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanatanterahako ny teny soa, izay nolazaiko ny amin'ny aranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda. 15 Amin'izany andro izany sy amin'izany fotoana izany dia hampaniry Rantsana* marina ho an'i Davida Aho; Ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin'ny tany Izy.[Na: Solofo] 16 Amin'izany andro izany dia hovonjena ny Joda, ary Jerosalema handry fahizay; Ary izao no hanononana azy: Jehovah Fahamarinantsika. 17 Fa izao no lazain'i Jehovah: Davida tsy ho diso zanakalahy Hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny taranak'Isiraely; 18 Ary ny Levita mpisorona tsy ho diso zanakalahy ho eo anatrehako, Mba hanaterany mandrakariva fanatitra dorana sy fanatitra hohanina* ary fanatitra hafa alatsa-drà.[Na: sy handoroany fanatitra hohanina]Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 33.1-18
Endrey ity fanasoavana anao ry Israely
1-Hovalian’ Andriamanitra raha miantso , ary hanehoana zava-mahagaga sy saro-pantarina .
2-Hositranina ho afaka amin’ny fanaintainana ka hahita ny tena haren’ny fiadanana sy fahamarinana
3-Hodiovina ho afaka amin’ny helony ka ho vita fihavanana amin’ Andriamanitra indray .
4-Firenena hahafaly an’Andriamanitra , ka dia hohasoaviny omeny harena .Hitsiriritra azy ny firenena ambonin’ny tany ;
5-Haverina indray any an-tanindrazany izy ireo , rehefa tonga ny fotoanandro voatendry ho amin’izany . Haverina amin’ny laoniny ihany koa ny taniny ka ho tonga tahaka ny tany aloha , izany hoe: ho tany aloha , izany hoe: ho tany tondra-dronono sy tantely .
6-Mpanjaka marina izay tena hitsara marina no hanjaka aminy dia ilay rantsana marina avy amin’i Davida , araka izay efa nifaneken’ Andriamanitra tamin’i Davida . Tsy iza izany fa i JESOA KRISTY .
Noho izany dia afaka ny hahazo ireo tombotsoa ireo koa ianao satria mpanara-dia an’i Jesoa . Raiso Izy ho Tompo sy Mpamonjy anao , ary ialao ny ratsy izay tsy mifanaraka amin’ Andriamanitra.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6