Fandalinana ny Boky JEREMIA
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 09 Novambra 2019
Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 32.1-15
1 [Ny nividianan'i Jeremia tany ho vavolombelon'ny finoany fa mbola hampodina ny Isiraely] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah tamin'ny taona fahafolo nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, dia ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Nebokadnezara. 2 Fa tamin'izany no nanaovan'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Babylona fahirano an'i Jerosalema; ary Jeremia mpaminany nambenana teo an-kianjan'ny trano fiambenana, izay teo amin'ny tranon'ny mpanjakan'ny Joda. 3 Fa Zedekia, mpanjakan'ny Joda, nampiambina azy ka nanao hoe: Nahoana ianao no maminany hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hatolotro eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ity tanàna ity, ka ho afany; 4 ary Zedekia, mpanjakan'ny Joda, dia tsy ho afa-mandositra ny tanan'ny Kaldeana, fa hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona tokoa izy, ary hiteny aminy mifanatrika izy sady hifankahita maso aminy; 5 ary ho any Babylona no hitondrana an'i Zedekia, ka ho any izy ambara-pamangiko azy, hoy Jehovah; na dia miady amin'ny Kaldeana aza ianareo, dia tsy hambinina. 6 Ary hoy Jeremia: Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe: 7 Indro Hanamela, zanak'i Saloma, rahalahin-drainao, ho avy eto aminao hanao hoe: Vidionao ny sahako izay ao Anatota, fa ianao no havana akaiky tokony hanavotra azy. 8 Ary Hanamela, zana-drahalahin'ikaky, dia tonga tamiko teo an-kianjan'ny trano fiambenana araka ny tenin'i Jehovah, ka hoy izy tamiko: Masìna ianao, vidio ny sahako izay ao Anatota, dia ilay ao amin'ny tanin'ny Benjamina, fa ianao no havana akaiky tokony handova sy hanavotra azy, vidio re ho anao. Ka dia fantatro fa tenin'i Jehovah izany. 9 Ary novidiko tamin'i Hanamela, zana-drahalahin'ikaky, ny saha izay tao Anatota, ary nolanjaiko ny vola, dia sekely volafotsy fito ambin'ny folo. 10 Ary nosoratako tamin'ny taratasy izany ka nasiako tombo-kase sady nasiako vavolombelona, ary nolanjaiko tamin'ny mizana ny vola. 11 Ka dia noraisiko ny taratasy nisy ny fanekena tamin'ny vidin-tany, dia ilay voaisy tombo-kase araka ny lalàna sy ny fanao, mbamin'ny taratasy mivelatra koa; 12 dia natolotro an'i Baroka, zanak'i Neria, zanak'i Mahaseia, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin'ny vidin-tany, teo imason'i Hanamela, zana-drahalahin'ikaky, sy teo anatrehan'ny vavolombelona izay nanao sonia tamin'ny taratasy nisy ny fanekena tamin'ny vidin-tany, dia teo anatrehan'ny Jiosy rehetra izay nipetraka teo an-kianjan'ny trano fiambenana. 13 Ary nandidy an'i Baroka teo anatrehan'ireo aho nanao hoe: 14 Izao no lazain'i Jenovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Ento ireto taratasy ireto, dia ireto taratasy misy ny fanekena amin'ny vidin-tany, dia ilay misy tombo-kase, mbamin'ny taratasy mivelatra, ary ataovy ao anaty vilany tany izy mba haharitra ela. 15 Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Mbola hisy trano sy saha ary tanim-boaloboka hovidina indray eto amin'ity tany ity.Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 32.1-15
An’ Andriamanitra tokoa ny tantara sy ny fiainan’ny olona, ka Izy no mandahatra azy . Jereo fa:
1-Tsy maintsy tanteraka ny fandravana ny firenen’i Joda
Zava- niseho tamin’ny taona 587 talohan’ i Kristy io (and1). Babon’ny tafika Babyloniana i Jerosalema , ary ho lasa babo ny mpanjaka sy ny vahoaka . Voagadra noho izany faminaniana izany i Jeremia . Na inona na inona fanoherana ataon’ny olona dia tsy maintsy tanteraka ny Tenin’ Andriamanitra . Ny lanitra sy ny tany ho levona , fa ny Tenin’ Andriamanitra tsy ho levona.
2-Tsy maintsy hiverina amin’ny taniny ny Jiosy
Asaina mividy ny tanin’ny rahalahin-drainy i Jeremia. Tafiditra ao amin’ny fanaon’ Andriamanitra eo amin’ny faminaniana izao fampanaovana fihetsika an’i Jeremia izao . Na dia voafonja aza izy , ary mbola ho babo ny fireneny dia asehon’ Andriamanitra fa mbola hiverina eo amin’ny taniny izy ireo (and15). Moa tsy marina ho antsika ve ny teny hoe : « Fa raha mbola hisy koa ny farany , dia tsy ho foana ny fanantenanao » (Oha 23.18) ? Aza kivy na miatrika ady aza ianao , fa an’ ny Tompo hatrany ny teny farany .
» Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6