Fandalinana ny Boky JEREMIA
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 07 Novambra 2019
Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 31.15-26
15 Izao no lazain'i Jehovah: Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; Rahely nitomany ny zanany, ary tsy azo nampiononina izy noho ny amin'ny zanany, satria lany ritra ireny. 16 Izao no lazain'i Jehovah: Atsaharo ny fitomanianao sy ny fandatsahanao ranomaso; Fa hisy valiny tokoa ny ataonao, hoy Jehovah, ary hody avy any amin'ny tanin'ny fahavalo ireny. 17 Ary misy fanantenana ho anao any amparany, hoy Jehovah; Fa ny zaza dia hiverina ho any amin'ny taniny indray. 18 Efa reko tokoa Efraima nitomany ny tenany hoe: Nofaizanao aho, eny, nofaizana toy ny ombilahy kely tsy voafolaka; Avereno aho, dia ho tafaverina, fa Hianao no Jehovah Andriamanitro. 19 Nony efa niverina tokoa aho, dia vao nahalala fanenenana; Ary rehefa nampahafantarina ny toe-tenako aho, dia niteha-tratra*; Menatra sady mangaihay aho, fa latsain'ny tsinin'ny fahatanorako.[Heb. niteha-pe] 20 Zanako mahafinaritra va Efraima, zaza malalako va izy, no dia fatra-pahatsiaro azy isaky ny mitezitra azy Aho? Noho izany dia onena azy ny foko*; Hamindra fo aminy tokoa Aho, hoy Jehovah.[Heb. maneno ny tsinaiko] 21 Manangàna famantaran-dalana ho anao ianao, manorena tsangam-bato; Saino tsara ny lalana efa voavoatra, dia ilay lalana efa nalehanao; Miverena indray, ry Isiraely virijina, miverena indray ho amin'ireto tanànanao ireto. 22 Mandra-pahoviana no hirioriovanao, ry zanakavavy mpiodina? Fa Jehovah efa namorona zava-baovao amin'ny tany: Vehivavy no hanodidina lehilahy. 23 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Mbola holavina indray ao amin'ny tanin'ny Joda sy ao amin'ny tanànany izao teny izao, raha hampodiko avy amin'ny fahababoany izy: Hotahin'i Jehovah anie ianao, ry fonenan'ny fahamarinana, sy ry tendrombohitry ny fahamasinana! 24 Ary ny Joda sy ny tanànany rehetra dia hiara-monina ao aminy ho mpiasa tany sy ho mpilasy mitondra ny andian'ny ondry aman'osiny. 25 Fa ny fanahy ana dia hampisotroiko, ary ny fanahy mihaosa rehetra dia hovokisako. 26 Ary tamin'izay dia nahatsiaro aho ka nahita; Ary mamiko ny torimasoko.Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 31.15-26
Mamonjy sy manavao ny olony Andriamanitra .Jereo fa:
1-Ampiononina i Rama:
Tanàna any avaratr’i Jerosalema ary làlana lalovana raha avy any Babylona io . Fokon’i Benjamina izay niavian’i Jeremia no ao. Fitomanian’i Rahely renin’i Benjamina no re tao. Asaina mangina izy satria hiverina avy any am-pahababoana. Misy fanantenana ho azy any am-parany . Fa raha mbola hisy koa ny farany dia tsy ho foana ny fanantenany .
2-Tsapan’i Efraima ny hadisoany :
Ekeny fa vokatry ny fahotany ny fahababoany (and19). Niaiky izy ary nibebaka . Onena Andriamanitra ka namindra fo taminy. Rehefa miaiky fahotana isika , dia mahatoky Andriamanitra ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana.
3-Asaina miverina i Israely .
Ny tànanany taloha ihany no hiverenany . Hanao zava-baovao ny Tompo hahatanteraka izany satria ny vehivavy (Israely) indray no hikaroka lehilahy (Jehovah) . Fatra-piodina izy ireo teo aloha fa ovan’ Andriamanitra ny fony hahatonga azy ho tia an’i Jehovah . Omena fo vaovao ny olona mba ho tia an’ Andriamanitra .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-6