Fandalinana ny Boky JEREMIA
Mofonaina anio: Alarobia, faha 06 Novambra 2019
Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 31.1-14
1 [Ny famindram-po ho an'ny firenen'Isiraely, sy ny fanekena hatao aminy] Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia ho Andriamanitry ny isam-pianakavian'ny Isiraely Aho, ary izy ho oloko. 2 Izao no lazain'i Jehovah: Hahita* fitia any an-efitra ny olona izay sisa tsy matin'ny sabatra; Handeha Aho ka hanome* fitsaharana ho an'ny Isiraely.[Na: Nahita][Na: Nandeha Aho ka nanome] 3 Tany lavitra any* no nisehoan'i Jehovah tamiko ka nanao hoe: Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindram-po ho anao.[Na: Tamin'ny fahiny] 4 Mbola hanorina anao indray Aho, ka dia hiorina ianao, ry Isiraely virijina! Ary mbola hiravaka mitondra ny ampongatapakao ianao ka hivoaka amin'ny dihin'ny mifaly. 5 Mbola hanao tanim-boaloboka ao amin'ny tendrombohitr'i Samaria ianao; Ny mpamboly dia hamboly sady hihinana ny vokatra. 6 Fa mbola hisy andro hiantsoan'ny mpitazana any amin'ny tany havoan'i Efraima hoe: Mitsangana ianareo, ka andeha isika hiakatra any Ziona, Ho any amin'i Jehovah Andriamanitsika. 7 Fa izao no lazain'i Jehovah: Mihobia amin'ny fifaliana noho ny amin'i Jakoba, ary mifalia noho ny amin'ny lohan'ny firenena, torionareo, deraonareo, ka ataovy hoe: Jehovah ô, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin'ny Isiraely. 8 Indro, hitondra azy avy any amin'ny tany avaratra Aho sy hanangona azy avy any amin'ny faran'ny tany, ka dia samy ho eny aminy avokoa na ny jamba na ny mandringa, na izay manan'anaka na izay mihetsi-jaza; Irai-dia marenina no hiverina at?. 9 Amin'ny fitomaniana no hihaviany, ary amin'ny fifonany no hitondrako azy; Ary ho entiko ho eny amoron'ny renirano izy, amin'ny lalana mahitsy izay tsy hahatafintohina azy; Fa Rain'Isiraely Aho, ary Efraima no lahimatoako. 10 Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ianareo jentilisa, ary torio any amin'ny tany amoron-tsiraka any lavitra any izany, ka atao hoe: Izay nampiely ny Isiraely no hanangona azy indray sady hitandrina azy toy ny fitandrin'ny mpiandry ondry ny ondriny. 11 Fa Jehovah efa nanavotra an'i Jakoba sy efa nanafaka azy tamin'ny tanan'ny mahery noho izy. 12 Ka dia ho avy ireny ka hihoby ao amin'ny havoan'i Ziona, dia hitanjozotra ho any amin'ny zava-tsoan'i Jehovah, dia ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo sy ny zanak'ondry ary ny zanak'omby; Ary ny fanahiny ho toy ny tanimboly vonton-drano, ka tsy hihamalazo intsony. 13 Ary amin'izany dia ho faly amin'ny fandihizana ny virijina mbamin'ny zatovo sy ny antitra koa; Fa hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany, ka hampiononiko sy hampifaliko izy ho afaka alahelo. 14 Dia hovokisako zava-matavy ny fanahin'ny mpisorona, ary ny oloko ho voky ny zava-tsoako, hoy Jehovah.Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 31.1-14
Tsy misy mahay mitia tahaka an’i Jehovah . Diniho ange izay voalaza ato amin’ireto andininy ireto e:
1-Mahenika ny tokantrano rehetra ny fitiavany (and1)
2-Mitondra fitsaharana ny fitiavany (and2)
3-Mandrakizay ny fitiavany (and3)
4-Miteraka fifaliana ny fitiavany (and7)
5-Tsy manavaka na iza na iza ny fitiavany ka
6-na jamba na kilemaina , na marenina dia henika ny fitiavany avokoa (and8)
7-Miseho ho Ray manam-pitiavana Izy amin’ny fifandraisany amin’ny olona (and9)
8-Toy ny mpiandry ondry mitandrina ny ondriny no hitandremany izay notiaviny (and10)
10-Mampionona ny mitomany hanjary ho feno fifaliana ny fitiavany (and13 )
11-Mahatonga Azy hamoky soa ny olony ny fitiavany azy (and14)
Koa tiavo Izy fa tena tia anao ny zanany aza natolony , mba ho famonjena anao(Jao 3.16) . « Isika tia satria Izy efa tia antsika taloha » (1 Jao 4.19).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6