Fandalinana ny Boky JEREMIA

Mofonaina anio: Alahady, faha 03 Novambra 2019

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 29.1-14
1 [Taratasy nampitondrain'i Jeremia ho any amin'ny babo tany Babylona] Ary izao no fitenin'ny taratasy izay nampitondrain'i Jeremia mpaminany avy tany Jerosalema ho any amin'ny sisa amin'ny loholona voababo sy ho amin'ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, izay nobaboin'i Nebokadnezara ka nentiny avy tany Jerosalema ho any Babylona 2 (rehefa lasa niala tany Jerosalema Jekonia mpanjaka sy ny reniny sy ny tandapa sy ny mpanapaka ny Joda sy Jerosalema mbamin'ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy vy), 3 dia ilay teny nampitondrainy an'i Elasa, zanak'i Safana, sy Gemaria, zanak'i Hilkia, izay nirahin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, ho any Babylona, ho any amin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, nanao hoe: 4 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, amin'ny babo rehetra izay natolotro ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona: 5 Manaova trano ianareo, ka mitoera aminy; ary manaova tanimboly, ka hano ny vokatra avy aminy. 6 Manambadia, ka miteraha zazalahy sy zazavavy; analao vady ny zanakalahinareo, ary ampanambadio ny zanakavavinareo, mba hiterahany zazalahy sy zazavavy, ka hihamaro anie ianareo, fa tsy hihavitsy. 7 Ary katsaho izay hiadanan'ny tanàna izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin'i Jehovah ho azy; fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa ianareo. 8 Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Aza mety hofitahin'ny mpaminaninareo sy ny mpanao fankatovanareo, izay ao aminareo, ary aza mino ny nofinareo izay nofisinareo*.[Na: izay nampanonofisinareo] 9 Fa lainga no vinaniny aminareo amin'ny anarako; tsy naniraka azy Aho, hoy Jehovah. 10 Fa izao no lazain'i Jehovah: Rehefa tapitra ny fito-polo taona ny amin'i Babylona, dia hamangy anareo Aho, fa hotanterahiko aminareo ny teniko tsara, ka hampodiko ho amin'ity tany ity ianareo. 11 Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany*.[Heb. farany sy fanantenana] 12 Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho. 13 Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra. 14 Eny, ho hitanareo Aho, hoy Jehovah; ary hampodiko avy amin'ny fahababoana ianareo, ka hangoniko avy any amin'ny firenena rehetra sy avy any amin'ny tany rehetra izay nandroahako anareo, hoy Jehovah, ka hampodiko ho any amin'ilay tany efa nanolorako anareo hobaboina.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 29.1-14

Tsarovy hatrany fa mamana adidy ny velona :

1-Adidin’ny mpaminany ny mampahery

Efa nisy ampahany nentin’i Nebokadnezara ho babo any Babylona . Mitondra ny teny fampaherezana sy toro-làlana hampiadana azy i Jeremia . Tsy loza fa fiadanana no heverin’ Andriamanitra ho azy . Aza adinoina :tsy mba mandatsa ny Andriamanintsika , fa mpampahery sy mpitondra fiadanana.

2-Adidin’ny vahoaka ny mankato.

Asaina miaina toy ny fiaina andavanandro ny olona : manao trano , manambady , mamboly fa rehefa tonga ny 70 taona dia ho avy Andriamanitra hamonjy azy . Misy mpaminany sandoka milaza ny hiverenan’izy ireo vetivety . Mila maneho fahatokiana ilay Andriamanitra ivavahany ny mpino , na dia tsy takatry ny sainy aza ny fitondrany lalina .

3-Adidin’ny olon’ Andriamanitra ny mikatsaka izay hiadanan’ny ambanilanitra .

« Katsaho izay hiadanan’ny tanàna …ary mivavaha amin’i Jehovah ho azy , fa raha miadana izy dia mba hiadana koa ianareo » . Moa tsy baiko miantefa amintsika rehetra ve izany , na dia mety tsy ho tianao aza ny mpitondra ? Asehoy ny fitiava-tanindrazana .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-6