Fandalinana ny Boky JEREMIA
Mofonaina anio: Zoma, faha 01 Novambra 2019
Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 27.12-22
12 Ary Zedekia, mpanjakan'ny Joda. koa dia efa nilazako araka izany teny rehetra izany hoe: Ampidiro eo amin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona ny vozonareo, ka manompoa azy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo. 13 Nahoana no ho fatin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ianareo, dia ianao mbamin'ny vahoakanao, araka ny nolazain'i Jehovah ny amin'ny firenena izay tsy mety manompo ny mpanjakan'i Babylona? 14 Koa aza mihaino ny tenin'ny mpaminany izay manao aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan'i Babylona ianareo; fa lainga no vinanin'ireo aminareo. 15 Fa tsy naniraka azy Aho, hoy Jehovah, nefa manandoka ho mpaminany amin'ny anarako ihany izy, mba handroahako anareo, ka ho lany ringana ianareo, dia ianareo sy ny mpaminany izay maminany aminareo. 16 Ary ny mpisorona sy ity firenena rehetra ity dia efa nilazako hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Aza mihaino ny tenin'ny mpaminaninareo. izay maminany aminareo hoe: Indro, ny fanaky ny tranon'i Jehovah hampodina faingana avy any Babylona; fa lainga no vinaniny aminareo. 17 Aza mihaino azy, fa manompoa ny mpanjakan'i Babylona, dia ho velona ianareo; fa nahoana no ho rava ity tanàna ity? 18 Fa raha mpaminany tokoa ireo, ary raha ao aminy tokoa ny tenin'i Jehovah, dia aoka hifona amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, izy, mba tsy ho lasa ho any Babylona koa ny fanaka sisa ao an-tranon'i Jehovah sy ao an-tranon'ny mpanjakan'ny Joda sy ato Jerosalema 19 Fa izao ny lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, ny amin'ny andry sy ny tavin-drano lehibe* sy ny fitoeran-tavin-drano ary ny amin'ny fanaka hafa izay mbola sisa amin'ity tanàna ity,[Heb. ranomasina] 20 dia izay tsy nalain'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, fony izy nitondra an'i Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona, mbamin'ny manan-kaja rehetra amin'ny Joda sy Jerosalema, 21 eny, izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin'ny fanaka izay sisa ao an-tranon'i Jehovah sy ao an-tranon'ny mpanjakan'ny Joda sy ato Jerosalema: 22 Ho any Babylona no hitondrana ireo, sady hitoetra any izy ambara-pahatongan'ny andro hamangiako azy, hoy Jehovah, dia vao ho entiko miakatra izy ka hampodiko amin'ity tanàna ity.Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 27.12-22
I Jeremia , ilay tena mpaminany marina dia:
1-Manoro làlana izay hahavelona ny vahoaka :
Ny fanekena ny fahefan’ny Babyloniana no atoron’i Jeremia fa hahatonga fahavelomana ho an’ny olona . Ny fanoherana izany kosa dia hahatonga fahababoana ho azy ireo sy ny fananany . Ekeo hatrany ny torohevitry ny Tenin’ Andriamanitra , na dia tsy mifanaraka amin’ny fihevitrao aza.
2-Mampitandrina ny amin’ny mpaminany sandoka
Ny mpaminany sandoka dia nilaza fa tsy ho rava i Jerosalema ary tsy ho lasan-ko babo ny vahoaka . Nila sitraka tamin’ny vahoaka manompo sampy sy ny mpitondra izy ireo. Hoy i Jehovah :tsy naniraka azy Aho . Tandremo fa misy hatrany ny mpaminany sandoka hatramin’izao. Miorena amin’ny finoana marina.
3-Manoro làlana ny tokony hataon’ireo mpaminany
Ny fifonana ho an’ny vahoaka , mba hamelan’ Andriamanitra ny heloky ny firenena no an’isan’ny adidy goavana sy makadiry tokony hataon’ny mpaminany . Namela fianarana tamin’izany i Jesoa satria Izy no mpaminan’ny mpaminany (Jao 17).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6