Fandalinana ny Boky JEREMIA

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 31 Oktobra 2019

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 27.1-11
1 [Ny amin'ny zioga hataon'ny mpanjakan'i Babylona amin'ny vozon'ny firenena izay resiny, sy ny namporisihan'i Jeremia azy hitondra izany] Tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, no nahatongavan'izao teny izao tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah hoe: 2 Izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Manaova famatorana* sy zioga ianao, ka ataovy eo am-bozonao,[Na: kofehy] 3 ary ampanatero any amin'ny mpanjakan'i Edoma sy any amin'ny mpanjakan'i Moaba sy any amin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona sy any amin'ny mpanjakan'i Tyro ary any amin'ny mpanjakan'i Sidona izany ho entin'ny iraka izay mankaty Jerosalema ho at? amin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda; 4 ary asaovy lazainy amin'ny tompony avy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Izao no holazainareo amin'ny tomponareo: 5 Izaho no nanao ny tany sy ny olona ary ny biby izay eo aminy tamin'ny heriko lehibe sy tamin'ny sandriko nahinjitra; ary efa nomeko ho an'izay sitraky ny foko ny tany. 6 Ary ankehitriny Izaho dia efa nanolotra ireto tany rehetra ireto ho eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, mpanompoko; eny, na dia ny bibi-dia aza dia efa nomeko hanompo azy koa. 7 Ary ny firenena rehetra dia hanompo azy sy ny zanany ary ny zafiny ambara-pahatongan'ny fotoana hamaliana ny tanin'izy io kosa, ka hampanompoin'ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe izy. 8 Ary izay firenena na fanjakana tsy mety manompo an'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ary tsy mety mampiditra ny vozony eo amin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona, dia hovaliako amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izany firenena izany, hoy Jehovah, ambara-pandringako azy amin'ny tànany. 9 Ary aza mihaino ny mpaminaninareo ianareo, na ny mpanao fankatovanareo, na ny nofinareo, na ny mpanandronareo, na ny mpanana odinareo, izay manao aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan'i Babylona ianareo. 10 Fa lainga no vinanin'ireo aminareo, mba hamindrana anareo ho lavitra ny taninareo, dia horoahiko ianareo ka ho ringana. 11 Fa izay firenena mampiditra ny vozony eo amin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona kosa ka manompo azy dia havelako hitoetra amin'ny taniny ihany, hoy Jehovah, ka hiasa azy sady honina ao izy.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 27.1-11

Misongadina eto indray fa:

1-Manam-pahefana amin’ny firenena rehetra Andriamanitra: Nasaina nanamboatra zioga ho an’ny mpanjakan’i Edoma sy i Moaba , i Amona,sy i Tyro, ary Sidona i Jeremia . Handalo ao Jerosalema ny masoivohon’ireo ary ampahalalaina azy fa i Jehovah no manome hery ny Babyloniana hanjaka amin’izy ireo ka tokony ho ekeny . « An’i Jehovah tokoa ny tany sy izay rehetra eo aminy » (Sal 24.1).

2-Avy amin’ Andriamanitra ny fahefan’ny mpanjaka :

Ny mampianjera sy mampahatanjaka ny mpanjaka dia fahefan’i Jehovah. Izy no mifidy izay tiany hifehy sy hanongana izay tiany haongana eo amin’ny firenena . Isika kosa efa nandray an’i Jesoa ho Tompo sy mpanjaka hanapaka ny fianantsika , ka meteza hankato Azy hatrany .

3-Mpanolo-tsaina hendry Andriamanitra .

Mahalala ny ho avy izy , ka na dia manahirana ny firenena aza ny hanaiky hofehezin’ny Babyloniana dia manoro hevitra kosa izy fa mahasoa azy ireo izany. Ny fihevitr’i Jehovah tsy fihevitsika ary ny làlany tsy mba làlantsika . Koa raiso ny Fanahiny hanolo-tsaina .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-6