Fandalinana ny Boky JEREMIA
Mofonaina anio: Talata, faha 29 Oktobra 2019
Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 26.1-11
1 [Ny niampangana an'i Jeremia, sy ny nahafahany tamin'izany] Tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, no nahatongavan'izao teny izao avy tamin'i Jehovah nanao hoe: 2 Izao no lazain'i Jehovah: Mitsangàna eo an-kianjan'ny tranon'i Jehovah, ka lazao amin'ny tanànan'ny Joda rehetra, izay avy hiankohoka ao an-tranon'i Jehovah, ny teny rehetra izay efa nasaiko hambaranao aminy, ary aza amelana na dia teny iray akory aza. 3 Fa angamba hihaino ihany izy, ka samy hiala amin'ny lalany ratsy, dia hanenenako ny loza izay kasaiko hamelezana azy noho ny faharatsian'ny ataony. 4 Ary lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Raha tsy mihaino Ahy ianareo ka tsy mandeha araka ny lalàko izay napetrako teo anoloanareo, 5 ary tsy mihaino ny tenin'ny mpaminany mpanompoko, izay irahiko aminareo, eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka, nefa tsy mba nihaino ianareo 6 dia hataoko tahaka an'i Silo ity trano ity, ary hataoko fanozonana ho an'ny firenena rehetra ambonin'ny tany ity tanàna ity. 7 Ary ny mpisorona sy ny mpaminany mbamin'ny vahoaka rehetra dia nandre an'i Jeremia nanambara ireo teny rehetra ireo tao an-tranon'i Jehovah. 8 Koa nony efa tapitra voalazan'i Jeremia izay rehetra nasain'i Jehovah nolazaina tamin'ny vahoaka rehetra, dia nosamborin'ny mpisorona sy ny mpaminany mbamin'ny vahoaka rehetra izy ka nataony hoe: Ho faty tokoa ianao. 9 Nahoana ianao no naminany tamin'ny anaran'i Jehovah hoe: Ho tahaka an'i Silo ity tanàna ity, ary ho lao ity tanàna ity, ka tsy hisy mponina? Ary ny vahoaka rehetra dia nitangorona tamin'i Jeremia tao an-tranon'i Jehovah. 10 Fa nony ren'ny mpanapaka ny Joda izany zavatra izany, dia niakatra avy tany amin'ny tranon'ny mpanjaka nankany amin'ny tranon'i Jehovah izy ka nipetraka teo anoloan'ny vavahady vaovaon'i Jehovah. 11 Ary ny mpisorona sy ny mpaminany nilaza tamin'ny mpanapaka sy ny vahoaka rehetra hoe: Misy heloka tokony hahafaty ity lehilahy ity; fa efa naminany loza ho amin'ity tanàna ity izy araka izay efa ren'ny sofinareo.Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 26.1-11
Tantara niseho tamin’ny andron’i Joiakima nanjaka tao Jerosalema izao (609-598) talohan’i Jesoa Kristy . Nasaina nitondra hafatra tao an-tempoly i Jeremia , ka fantaro ho anao izay mitondra hafatra fa:
1-Ambara tsy misy azo avela ny Tenin’ Andriamanitra (and2).
Tena teny handratra ny fon’olona izao ampitondraina an’i Jeremia izao , satria ny fireneny sy ny fananany mihitsy no holazaina fa ho rava . Tsy maintsy ambara nefa satria mety mba hihaino ihany izy (and3) ka hibebaka . Aza matahotra ny hijoro vavolombelona ary sao mba hahataona fanahy hibebaka ny fahasahianao.
2-Mahatonga fanenjehana ny filazana ny marina (and8-11)
Fisamborana , fanadihadiana , fikasana hamono an’i Jeremia no vokatr’izao fitoriana ataony izao . Efa nampiomana momba izany i Jesoa hoe: »Ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako , fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena « (Mar 13.13). Koa aza matahotra fa momba anao ny Tompo amin’izay rehetra hanirahany anao , ary omeny fahefana tahaka an’i Jeremia ianao eo am-panaovana ny asa (Jer 1.10).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6