Fandalinana ny Boky JEREMIA

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 26 Oktobra 2019

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 23.16-40
16 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Aza mihaino ny tenin'ny mpaminany izay maminany aminareo, fa manadala anareo ireo; Ny fahitana avy ao am-pony ihany no lazainy, fa tsy izay aloaky ny vavan'i Jehovah. 17 Milaza mandrakariva amin'izay manamavo Ahy izy hoe: Jehovah nanao hoe: Hahita fiadanana ianareo, ary amin'izay rehetra mandeha araka ny ditry ny fony hoe: Tsy hisy loza hanjo anareo. 18 Fa iza moa no efa isan'ny mpihevitra teo amin'i Jehovah ka nahita sy nandre ny teniny? Iza no nanongilana ny sofiny taminy ka nihaino ny teniny? 19 He! ny tadion'i Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin'ny lohan'ny ratsy fanahy. 20 Ny fahatezeran'i Jehovah tsy ho afaka ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny hevitry ny fony; Mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany. 21 Tsy naniraka ireo mpaminany ireo Aho, kanefa nidodododo ihany izy, tsy niteny taminy Aho, kanefa naminany ihany izy. 22 Fa raha isan'ny mpihevitra teo amiko izy, dia ho nitory ny teniko tamin'ny oloko izy ka namerina azy hiala tamin'ny lalany ratsy sy tamin'ny faharatsian'ny nataony. 23 Moa Andriamanitra et? akaiky ihany va Aho? hoy Jehovah. Fa tsy Andriamanitra any lavitra any koa? 24 Moa misy olona mahafin-tena ao amin'ny fierena va ka tsy ho hitako? hoy Jehovah. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho? hoy Jehovah. 25 Efa reko ny nolazain'ny mpaminany, Izay naminany lainga tamin'ny anarako hoe: Nanonofy aho, nanonofy aho. 26 Mandra-pahoviana? Moa ao am-pon'ireo mpaminany izay maminany lainga sy maminany araka ny fitaky ny fony va? 27 Ny hampanadino ny oloko ny anarako amin'ny nofiny izay lazainy amin'ny namany avy, toy ny nanadinoan'ny razany ny anarako noho ny amin'i Bala? 28 Ny mpaminany izay manonofy dia aoka hilaza nofy, ary izay manana ny teniko dia aoka hanambara marina ny teniko. Fa moa inona izay mololo, raha oharina amin'ny vary? hoy Jehovah. 29 Tsy tahaka ny afo va ny teniko? hoy Jehovah, ary tsy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy va? 30 Koa, indro, fa hasiako ny mpaminany, hoy Jehovah, izay samy mangalatra ny teniko amin'ny namany avy. 31 Indro, hoy Jehovah, hasiako ny mpaminany, izay mampiteny ny lelany hoe: Hoy Izy. 32 Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy Jehovah, ary milaza izany ka mampivily ny oloko amin'ny laingany sy ny fandokafany tena; Nefa Izaho tsy naniraka azy na nandidy azy tsinona, ka dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, hoy Jehovah. 33 Ary raha manontany anao ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona, ka manao hoe: Inona no entan*'i Jehovah? Dia ataovy aminy hoe: Ny amin'ny entana hariako ianareo, hoy Jehovah.[Na: faminaniana ny loza] 34 Ary ny mpaminany sy ny mpisorona mbamin'ny vahoaka, izay manao hoe: Ny entan'i Jehovah. Dia hovaliako izany olona izany mbamin'ny ankohonany. 35 Samia manontany amin'ny namany sy ny rahalahiny avy ianareo hoe: Ahoana no navalin'i Jehovah? Ary ahoana no nolazain'i Jehovah? 36 Fa ny hoe: Ny entan'i Jehovah dia tsy hotononinareo intsony; Fa ny tenin'ny olona avy ihany no ho entan'ny tenany, satria efa navadikareo ny tenin'Andriamanitra velona, dia Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitsika. 37 Izao no hanontanianareo* amin'ny mpaminany; Ahoana no navalin'i Jehovah anao? Ary ahoana no nolazain'i Jehovah?[Heb. hanontanianao] 38 Fa raha hoy ianareo: Entan'i Jehovah, Dia izao no lazain'i Jehovah: Noho ny nilazanareo ny teny hoe: Ny entan'i Jehovah, nefa efa nanirahako ihany ianareo nataoko hoe: Aza manao hoe: Ny entan'i Jehovah, 39 Dia, indro, hanadino anareo tokoa Aho sady hanary anareo mbamin'ny tanàna izay nomeko anareo sy ny razanareo tsy ho eo anatrehako; 40 Ary hataoko mihatra aminareo ny fahafaham-baraka mandrakizay sy ny fahamenarana mandrakizay izay tsy hohadinoina.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 23.16-40

Fampianarana lehibe momba ny mpaminany sandoka no hitantsika eto:

1Mampiteny ny Tompo fa tsy ampitenenin’ny Tompo

Hoy ny Tompo : « Ny fahitana avy ao am-pony ihany no lazainy , fa tsy izay aloaky ny vavan’i Jehovah » (and16). Izany hoe : izy no miteny izay tiany hotenenina , dia lazainy ho avy amin’ Andriamanitra, fa tsy izay lazain’ Andriamanitra no ambarany . Mila mitandrina ny mpitoriteny rehetra sao latsaka amin’izany fandrika izany ka na mody mandray tenin’ny Soratra masina aza dia izay tian’ny tena ambara no lazaina fa tsy izay voalaza ao amin’izay voasoratra akory.

2-Ny mpaminany sandoka : mitady izay hahafaly ny olona fa tsy ny hahafaly ny Tompo

Hoy ny teny eto : »Milaza mandrakariva amin’izay manamavo Ahy izy hoe : Jehovah nanao hoe : Hahita fiadanana ianareo , ary amin’izay rehetra mandeha araka ny ditry ny fony hoe :Tsy hisy loza hanjo anareo« (and17) . Izao anefa no tokony ho izy : raha isan’ny mpihevitra teo amiko izy , dia ho nitory ny teniko tamin’ny oloko izy ka namerina azy hiala amin’ny làlany ratsy sy tamin’ny faharatsian’ny nataony « (and22), hoy ny Tompo.

Tsy ho afa-maina ny mpaminany toy izany : « hasiako ny mpaminany , hoy i Jehovah » (and30).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra « Boky faha-6