2-Ny amin’ireo mpaminany (and9-15)

Mofonaina anio: Zoma, faha 25 Oktobra 2019

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 23.1-15
1 [Faminaniana ny amin'ny mpiandry tsara, indrindra fa ny Rantsan'i Davida] Lozan'ireo mpiandry izay manimba sy mampihahaka ny ondry fiandriko, hoy Jehovah 2 Koa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin'ireo mpiandry izay miandry ny oloko: Hianareo efa nampihahaka ny ondriko sy nandronjindronjina azy, fa tsy nanolokolo azy; Koa, indro, hovaliako ianareo noho ny faharatsian'ny ataonareo, hoe Jehovah 3 Ary Izaho hanangona ny ondriko sisa avy any amin'ny tany rehetra izay nandroahako azy ka hampodiko ho any amin'ny saha niandrasana azy, dia hitombo sy hihamaro izy 4 Ary hanendry mpiandry ho azy Aho, ka dia hiandry azy ireo; Ka tsy hatahotra na hivadi-po intsony izy, sady tsy hisy tsy ho voavory, hoy Jehovah. 5 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hananganako Rantsana* marina ho an'i Davida, ka hanjaka Izy sady ho hendry ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin'ny tany.[Na: Solofo] 6 Amin'ny androny no hamonjena ny Joda, sy handrian'ny Isiraely fahizay, ary izao no anarany izay hanononana Azy: Jehovah Fahamarinantsika. 7 Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay tsy hanaovana intsony hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak'Isiraely niakatra avy tany amin'ny tany Egypta; 8 Fa izao kosa: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny taranak'Isiraely niakatra sady nitarika azy avy tany amin'ny tany avaratra sy avy tany amin'ny tany rehetra izay nandroahako azy; Dia honina ao amin'ny taniny izy. 9 [Faminaniana ny amin'ny mpaminany sandoka] Ny amin'ireo mpaminany. Montsamotsana ato anatiko ny foko, mangozohozo ny taolako rehetra, toy ny olona mamo aho, ary toy ny lehilahy leon-divay, noho ny amin'i Jehovah sy noho ny teniny masina. 10 Fa feno mpijangajanga ny tany; Ary noho ny ozona no isaonan'ny tany, efa maina ny kijana any an-efitra; Ary efa ratsy ny fanaon*'ny olona, sady ny tsi-fahamarinana no heriny.[Heb. lalan'] 11 Fa na mpaminany na mpisorona dia samy mpihatsaravelatsihy* avokoa; Na dia tao an-tranoko aza dia mbola hitako ihany ny haratsiany, hoy Jehovah.[Na: ratsy fanahy] 12 Koa dia ho toy ny lala-malama amin'ny aizim-pito ny lalany; Haronjina izy, ka dia ho potraka ao; Fa hahatonga loza aminy Aho amin'ny taona hamaliana azy, hoy Jehovah. 13 Ary tamin'ny mpaminanin'i Samaria no nahitako zavatra mahaloiloy: Naminany tamin'i Bala izy ka nampivily ny Isiraely oloko, 14 Ary tamin'ny mpaminanin'i Jerosalema koa no nahitako zavatra mahatsiravina; Mijangajanga sy mandeha araka ny lainga izy sady mampahery ny tanan'ny mpanao ratsy, ka samy tsy miala amin'ny faharatsiany; Eny, izy rehetra dia tonga tahaka an'i Sodoma raha amiko, ary ny mponina ao dia tonga tahaka an'i Gomora. 15 Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, ny amin'ireo mpaminany ireo: Indro, hofahanako zava-mahafaty izy sy hampisotroiko rano mangidy, satria avy tamin'ny mpaminanin'i Jerosalema no nivoahan'ny faharatsiana ho any amin'ny tany rehetra.

2-Ny amin’ireo mpaminany (and9-15)

Tsy mampino ny zavatra ambaran’i Jeremia : »Fa na mpaminany na mpisorona dia samy mpihatsaravelatsihy avokoa . Na dia tao an-tranoko aza dia mbola hitako ihany ny haratsiany , hoy i Jehovah « (and11). Ary koa :« Ary tamin’ny mpaminanin’i Jehovah koa no nahitako zavatra mahatsiravina . Mijangajanga sy mandeha araka ny lainga izy sady mampahery ny tànan’ny mpanao ratsy , ka samy tsy miala amin’ny faharatsiany « (and14). Mpitondra fivavahana sy mpanompon’ Andriamanitra ange no ambara amin’izany e!Mivavaha isika mba tsy hisy ao amin’ny fiangonana misy antsika ny toy izany fa loza loatra.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6