Fandalinana ny Boky JEREMIA

Mofonaina anio: Alarobia, faha 23 Oktobra 2019

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 22.1-12
1 [Anatra mafy noho ny faharatsian'ny mpanjakan'ny Joda] Izao no lazain'i Jehovah: Midina any amin'ny tranon'ny mpanjakan'ny Joda, ka lazao any izao teny izao hoe: 2 Henoy ny tenin'i Jehovah, ry mpanjakan'ny Joda, izay mipetraka amin'ny seza fiandrianan'i Davida, dia ianao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao izay miditra amin'ireto vavahady ireto: 3 Izao no lazain'i Jehovah: Manaova fitsarana sy fahamarinana ianareo, ka afaho amin'ny tanan'ny mpampahory ny olona voaroba; ary aza mampahory na mampidi-doza amin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, ary aza mandatsaka rà marina amin'ity fitoerana ity. 4 Fa raha mankatò izany teny izany tokoa ianareo, dia hisy mpanjaka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida hiditra amin'ity vavahady ity mitaingin-kalesy sy soavaly, dia izy sy ny mpanompony ary ny vahoakany. 5 Fa raha tsy hihaino izany teny izany kosa ianareo, dia ny tenako no ianianako, hoy Jehovah, fa ho lao tokoa ity trano ity. 6 Fa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny mpianakaviny: Tahaka an'i Gileada sy ny tampon'i Libanona amiko ianao, nefa hataoko tonga efitra sy tanàna tsy onenana. 7 Ary hanendry* mpandrava hamely anao Aho, Izay samy hitondra ny fiadiany avy; Dia hokapain'ireo ny sederanao voafantina ka hariany ao anaty afo.[heb. hanamasina] 8 Ary firenena maro no handalo ity tanàna ity, ka samy hanao amin'ny namany avy hoe: Nahoana Jehovah no dia nanao izao tamin'ity tanàna lehibe ity? 9 Dia hovaliana hoe: Noho ny nahafoizany ny faneken'i Jehovah Andriamaniny sy ny nivavahany tamin'andriamani-kafa sy ny nanompoany ireny. 10 Aza mitomany ny maty ianareo, na misaona azy; Mitomania dia mitomania noho ilay efa lasan-ko babo; Fa tsy hiverina intsony izy, na hahita ny tany nahaterahany. 11 Fa izao no lazain'i Jehovah ny amin'i Saloma, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia ilay nanjaka nandimby an'i Josia rainy, saingy efa niala tamin'ity tany ity: Tsy hiverina at? intsony izy, 12 Fa ho faty any amin'ny tany izay nitondrana azy ho babo ka tsy hahita ity tany ity intsony.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 22.1-12

Hafatra manokana ho an’ny mpitondra fanjakana hisorohana ny faharavana mahatsiravina mitatao amin’ny firenena no atolotra eto . Mazava tanteraka manko ny teny eto fa raha mihaino ny feon’ny Tompo ny mpitondra dia tena hitohy ny fitondrany , hanan-taranaka hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana izy , fa raha tsy mihaino kosa izy dia ho lasan-ko babo (and4-5). Koa izao no toro-hevitry ny Tompo mba hiadanana :

1-Manaova fitsarana sy fahamarinana ianareo

Voaresaka matetika ny fitsarana . Mampalahelo fa ny fitsarana izay tokony ho mpiaro ny fahamarinana indray no lasa lapan’ny fahalovana .

2-Tsijovy ireo mila vonjy

Ao anatin’izany ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondrantena. Mazàna no hampahoriana izy ireny , hanamparana ny fahefana , hanaovana ny tsy rariny .

3-Aza mandatsaka rà marina

Mampihoron-koditra ny famonoana olona tsy ahoan-tsy ahoana . Saingy atody miady amam-bato ny mifanandrina amin’ny mpitondra fanjakana , dia atao vono moka. Rahoviana no hanana mpitondra hendry hanaraka izany isika? Fa mpitondra adala ireto niresahan’i Jeremia ireto, tsy mahalala izay hahavonjy ny tenany sy ny taranany ary mamarina an-kady ny vahoakany .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-6